Raha ny fanadihadiana natao omaly, teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taranja Taekwondo WT (FMTKD), hatao any Antsirabe, ny volana aogositra ho avy io, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Hanana ny lanjany tanteraka ity fifaninanam-pirenena ity. Ny efatra voalohany isan-tsokajy ihany no afaka miatrika ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, izay hotontosaina […]
Fanatajahantena
Baolina kitra – «Chan 2025»: hatao amin’ny 15 janoary ny antsapaka
Izay vao raikitra. Hatao ny alarobia 15 janoary ho avy izao, ny antsapaka hahalalana izay iray vondrona amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao matihanina «Chan 2025». Nampahafantatra izany, omaly, tao amin’ny tranokalam-pifandraisany ny Kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf). Ny lanonana dia […]
Faritra Atsinanana: nitotongana ny tontolon’ny baolina kitra
Mihamihena sy mitotongana ny tontolon’ ny baolina kitra any amin’ny faritra Atsinanana, amin’izao fotoana izao. Antony mahatonga izany ny tsy fahampiana sy ny faharatsian’ny kianja filalaovam-baolina. Misy voka-dratsy goavana any amin’ny mpilalao sy ireo tanora maniry ny hivoatra eo amin’io sehatra io izany. Nitotongana ny tontolon’ ny baolina kitra any […]
Mpanazatra ny Barea, roa sisa hisafidianana : i A Da Silva na i Corentin Martins
Raha ny vaovao voaray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), anarana mpanazatra roa sisa no hanaovana safidy amin’ny fitantanana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar “A”. Miandry ny fanapahan-kevitry ny fanjakana sisa izany. Tsy ho ela dia ho fantatra ny anaran’ny mpanazatra vaovao hitondra ny ekipa nasionaly malagasy, Barea […]
Rugby- Diviziona I: hisy ny fifaninanana hitiliana ny Makis Seven
Raha ny vaovao voaray, omaly, teo anivon’ny Malagasy Rugby, hisy ny fifanintsanana lalaovin’olona fito, karakarain’izy ireo. Raha tsy misy ny fiovana, hatao ny 18 sy 19 janoary ho avy izao izany, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Zava-dehibe tokoa ity fifaninanana ity satria natao hitiliana ireo mpilalao handrafitra ny Makis Seven, […]