Miaraka amin’i Tchécoslovaquie sy i Espagne ary Etats-Unis, ao amin’ny vondrona «B», ny Makis Ladies, mandritra ny lalao Olympika ho an’ny tanora (JOJ 2026). Ao amin’ny sokajy «A» kosa i Senegal, Australie, Chine ary i Kenya. Fihaonana tanterahina any Dakar Senegal, ny 31 oktobra ka hatramin’ny 13 novambra ho avy […]
Fanatajahantena
Handball – Tompondakan’i Afrika : Tsy nahita mangirana ny Akio Madagasikara
Ratsy ny vokatra azon’ny Malagasy tamin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “cadets”, izay tontosaina atsy Côte d’Ivoire, ny 15- 22 septambra ho avy izao, ity. Faharesena fahatelo indray no nahazo ny Akio Madagasikara, omaly, ao anatin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “cadets”, atao ao Côte d’Ivoire, nandritra ny […]
Basikety U23 – Fiba 3 x 3, World Cup: Nandresy an’i Tonga fa resin’i Espagne ny Ankoay
Nitohy omaly, tao amin’ny Kianja Wuhan Shi, Hubei Chine, ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany eo amin’ny taranja basikety lalaovin’olona 3 na “Fiba 3 X 3 World Cup”, sokajy U23. Izay vao nahazo fandresena ny Ankoay, vehivavy, ho an’ny sokajy “C”. Nandresy an’i Tonga tamin’ny isa 21 no […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina anio, any Côte d’Ivoire, ny fihaonan’i Madagasikara sy Nigeria, taranja handball. Lalao tafiditra anatin’ny andro fahatelo, fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny sokajy “B”, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “cadets”. Tsiahivina fa hiaro voninahitra sisa ny Malagasy amin’io lalao io fa tsy ho tafakatra intsony. Hotanterahina ny 25 septambra […]
« Olympiades d’Echecs » : Nandresy an’i Curacao ny sokajy vehivavy
Nitohy omaly, tany Samarcande Ouzbekistan, ny andiany faha-46 amin’ny «Olympiades», taranja lalaon-tsaina Echec. Taorian’ny fandresen’i Serbia, 4 no ho 0, an’i Madagasikara nandritra ny «Round 1», natao ny talata lasa teo, niharina tamin’ny fahavoazany ny Malagasy. Lavon’izy ireo tamin’ny fandresena 4 no ho 0 ny ekipam-pirenen’i Curacao ho an’ny «Round […]





