Fanatajahantena

JJB-Grand Slam: nahazo medaly volafotsy i Andy Rasamy

Fifaninanana iraisam-pirenena anisan’ny nisongadina tamin’ny faran’ny herinandro teo, ny “Grand Slam”, taranja Jiu-jitsu breziliana, izay natao tany Abu Dhabi. Nanana solontena 3 lahy i Madagasikara nandritra izany ary tsy nitsanga-menatra satria nandrombaka medaly volafotsy ny Malagasy mpikatroka, i Andy Rasamy, teo amin’ny “Men’s Gi/Brown Belt”, sokajy Professionnel, latsaky ny 77 […]

For Good Connexion: baolina kitra hiarovana ny ankizy amin’ny loza

Nifarana ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja Syn­thètique Andohalo, ny “For Good Connexion”. Hetsika ho an’ny niomerika mandray andraikitra, nokarakarain’ny Union des clubs et écoles de foot-ball (Ucef) sy ny Orange Madagascar. Fampianarana ny ankizy hitandrina sy hahafehy ny ora hijerena ny findainy ary antoka amin’ny loza ate­raky ny […]

“Orange MPPTOUR 100”: lasan’i Miary Zo sy i Landry, sokajy lehilahy, i Prisca sy Zarah ho an’ny vehivavy

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana tenisy anaty efitrano Padel, “Orange MPPTour 100”. Nanjakan’i Miary Zo sy Landry ny teo amin’ny lehilahy, raha toa ka mbola ry Prisca sy Zarah no nahazo ny medaly volamena ho an’ny sokajy vehivavy. Notanterahina teny amin’ ny Urban Futsal Galaxy Andraharo, ny faran’ny […]

Rallye Motul: voalohany i Faniry sy i Mahents

Norombahin’i Faniry sy Mahents, mpanamorin’ny klioba TMF/Asacm, nitondra ny fiara Peugeot 208 T16, ny andiany fahenina amin’ny Rallye Motul. Fifaninanana notanterahina ny zoma ka hatramin’ny omaly alahady. Dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, nokarakarain’ny klioba FMMSAM. Tontosany tao anatin’ny fe-potoana 1 ora 37 mn 59.2 s ny hazakazaka, […]

Basikety: norombahin’ny MB2All ny amboaran’ ny ligin’i Boeny, vehivavy

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Mahajanga, ny fiadiana ny amboaran’ny ligin’i Boeny, taranja basikety, eo amin’ny sokajy N1A. Nafana ary tena niady ny lalao, na ny sokajy lehilahy, na ny sokajy vehivavy. Teo amin’izay sokajy vehivavy izay, norombahin’ny ekipan’ny MB2All Analamanga ny amboara, rehefa nifampitana tamin’ny ekipan’ny GNBC Analamanga […]