Fanatajahantena

Fifanintsanana Can 2027 : Resy lahatra amin’ny Barea i Zacharie Boucher

Nantsoina hanatevina ny Barea i Zacharie Boucher, mpiandry harato, saingy nanda ny taona 2018. Valo taona aty aoriana, nanaiky ny handrafitra ny ekipa nasionaly malagasy izy rehefa nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly ny mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy, na ny Barea. Toy ny mahazatra, tamin’ny alalan’ny […]

Jiu-jitsu Brezilianina : Malagasy 10 hiatrika ny amboara maneran-tany

Efa ao anatin’ny fanomanana sahady ny fiadiana ny amboara maneran-tany amin’ ny taranja haiady Jiujitsu brezilianina hotanterahina any Dubaï, ny volana novambra ho avy izao, ny Malagasy. Mi­kasa ny handefa mpikatroka miisa folo ny rafitra federaly eto an-toerana, raha ny fanazavan-dRakotozafy Johary, filohan’ny Federasionina malagasin’ity taranja ity. Hanana solontena amin’ireo […]

SOMBIM-BAOVAO

Hivoaka anio, 17 septambra ao amin’ny pejin’ ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Barean’i Madagasikara, izay hifandona amin’i Nigeria sy Tanzania, mandritra ny fifanintsanana Can 2027. Andrasana amin’io fotoana io, ny anaran’ ireo mpilalao vaovao nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra. Efa mandeha ny fampivondronana […]

Handball – Afrika «Cadets» : Mbola resin’i Tunisie indray i Madagasikara

“Resy indray…!” Mitohy hatrany ny vokatra ratsy ho an’ny ekipam-pirenena malagasy Akio, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2026”, taranja handball, sokajy “cadets”, lehilahy, izay tontosaina any Côte d’Ivoire, hatra­min’ny 22 septambra. Mbola niondrika teo anatrehan’i Tunisie, tamin’ny isa 62 no ho 20, indray ny Malagasy mpilalao, omaly, nandritra […]

Tsipy kanetibe – «Mondial 2027» : Efa nahavita ny fisoratana anarana i Madagasikara

Anisan’ireo firenena hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy, i Madagasikara. Hiditra amin’ny fampivondronana hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena ny Fédération sport-boule malagasy (FSBM) ny volana oktobra ho avy izao. Nampahafantarin’ny Fé­dé­ra­tion sport-boule malagasy (FSBM) tao amin’ny pejin’ny tambajotran-tseraserany, ny talata lasa teo, fa […]