Fanatajahantena

Pureplay Football League : Tsy mandray lalao ny Kianja Rabemananjara

Tsy afaka hampiantrano lalao amin’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)” ny Kianja Rabemananjara Mahajanga noho ny fisian’ny korontana ataon’ny mpitsara vitsivitsy, izay mikomy any an-toerana. Nanapa-kevitra ny tomponandraikitra eo anivon’ny CFEM ny tsy hanisy fihaonana any an-toerana mandra-pahatonga ny lamina vaovao. Tapaky ny mpikambana eo anivon’ny Kaomisio­nina hikambanan’ireo klio­ba elita […]

SOMBIM-BAOVAO

Namoaka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny pejy Facekookny, afakomaly, ny Disciples FC fa mpilalaon’izy ireo, ankehitriny, i Fely sy i Radokely. Tsiahivina fa ireto mpilalao roa ireo izay efa nandrafitra ny Barean’i Madagasikara nandritra ny fifanintsanana Chan, ny taona 2023 teo i Radokely, nitondra avo ny ekipa nasionaly malagasy tamin’izany […]

Pentathlon Moderne Malagasy: Lasa fa namela mamy ny Maitre Faly

Misaona ny Federasionina malagasin’ny taranja Penta­thlon moderne (FMPM). Nodi­mandry teo amin’ny faha-51 taonany, afakomaly, Rafilipo­harijaona Faliharimanana na ny Maitre Faly, tale teknika na­sionalin’ny FMPM. Lasa ny Maitre Faly, saingy namela ny tsara ho an’ny taranja sy ireo zandry. Nilaza Randriamalala Nathalie, filohan’ny Federa­sionina Pentathlon moderne eto Madagasikara, fa izy no […]

Basikety-FMBB: Hatao ny 11 febroary ny fifidianana

Tapitra amin’ity volana janoary ity ny fe-potoana itantanana ho an’ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety ankehitriny, izay tarihan’ny filohany, Ramaroson Jean Michel. Araka izany, nivoaka ny fampiantsoana fivoriambe sy fifidianana. Hatao ny alarobia 11 febroary izao, eto Antanana­rivo, saingy mbola tsy voafaritra mazava ny toerana hanaovana izany, hatreto. Ho an’ny […]

Augustin Baovola : “Tokony hanana kianja ho azy ny federasionina”

Mitondra ny heviny mahakasika ny fotodrafitrasa amin’ny baolina kitra eto Madagasikara, Andriamiharinosy Augustin Baovola, Malagasy mpilalao matihanina voalohany. Aminy, tsy tokony hiantehitra amin’ny kianja tantanin’ny rafitra hafa ny federasionina fa mila manana ho azy manokana. Raha baolina kitra no re­sahina, reharehan’i Brésil, i Pele. Vonina­hitry ny arzantina i Maradona ary […]