Fanatajahantena

Kianja Barea Mahamasina: mampiofana momba ny fandriam-pahalemana eny an-kianja ny Caf

Anisan’ireo singa iray notakina tamin’ny Kianja Barea Mahamasina ny resaka fandriampahalemana. Manoloana izany, misy ny fampianarana sy fifampizarana traikefa ataon’ny Caf mahakasika izany. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampiofanana eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, izay karakarain’ny Caf. Tonga niatrika izany avokoa ny solontena eo anivon’ny […]

Afa Analakely: hiatrika fifaninanana maro

Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialantsasatra ny ankizy amin’izao fotoana izao. Ho an’ny sekolin’ny baolina kitra, Analakely Football Academy, Afa, maro ny fifaninanana miandry azy ireo. Ho an’ny zazalahy U13, handray anjara amin’ny « Orange Challenge », fifanin­tsanana izay karakarain’ny Orange sy ny Union des clubs et écoles de Foot (Ucef), any Mahajanga, manomboka […]

Tsipy kanetibe – «Mada 2024»: hiatrika ny «Tournoi de St Pierre» i Drogba sy i Misa

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara ho an’ny olon-droa miaraka, lehilahy, eo amin’ny taranja tsipy kane­tibe ny ekipan’ny Mama. Norombahin-dry zalahy, araka izany, ny tapakila handehanana atsy La Réunion. Tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo, teny amin’ny Kianja Tonga­rivo, ny fifaninanam-pirenena taranja tsipy kanetibe, ho an’ olon-droa. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, ny […]