Fanatajahantena

“Muay Thai Tournament 3” : Ady 17 no hitranga any Toamasina

Hotanterahina any Toamasina, ny 23 novambra izao, ny fifaninanana “Muay Thai Tournament 3”, karakarain’ny GISL. Efa vonona tanteraka ny fanatanterahana ity fifaninanana ity. Raikitra ny fifaninanana! Andro sisa andrasana, araka ny nambaran’ny Maître Razanajatovo Gildas, avy amin’ny ny GISL (Grande île sports loisirs) mpikarakara. Efa roa herinandro izao no nan­deha […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny vaovao hita omaly, hahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra indray ny fanombohan’ny lalao ho an’ny ligin’Analamanga, taranja baolina kitra. Tsy nanome ny antony mazava amin’izay mety nampihemotra izany moa ny eo anivon’ny ligy. Marihina fa tokony natomboka anio izany fifaninanana eto an-dRenivohitra izany. Anatin’ny fiomanana tanteraka ny mpikarakara […]

Rugby – “XXL Top 12”: Donan’ny samy kartie ny an’ny CEA sy TFA

Hiditra amin’ny andro fa­ha­roa ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena taranja rugby D1 “XXL Top 12”. Fi­hao­nana hatao etsy amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, rahampitso 9 novambra. Lalao andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny CEA Andra­no­manalina sy ny TFA Anati­hazo. Donan’ny samy kartie ary heverina ho toy ny famarananakely mihitsy. Tsy hifampikoso-maso ny roa […]

Herinandron’ny karate : Hatao eto Analamanga ny “Mada isan-tarika”

Hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 15 hatramin’ny 20 desambra izao, ny herinandron’ny Karate-do eto Madagasikara. Hizara roa mazava tsara ny fandaharam-potoana amin’izany ka, ny 15 hatramin’ny 17 desambra no nanatontosana ilay Gashuku nasionaly, izay hanomezana fiofanana ho an’ny mpanazatra sy mpitsara ary mpandraharaha nasionaly eo anivon’ny taranja karate. […]