Nanomboka ny alatsinainy 26 janoary lasa teo, haharitra hatramin’ny 20 febroary izao, ny fampivondronana ireo mpilalao eto an-toerana mandrafitra ny Ankoay. Hitiliana izay ho ekipa nasionaly hiatrika ny lalao fifanintsanana ho amin’ ny fiadiana ny amboara maneran-tany 2026, taranja basikety, izy ity. Raha ny fandaharam-potoana, fanomanana ara-batana sy “Technico tactique” […]
Fanatajahantena
Pureplay Football League : Nisy tsy tomombana ny lalao tany Mahajanga
Olana tamin’ny mpitsara! Nanahirana indray ny lalao tany Mahajanga, nandritra ny andro fahatelon’ny “Pureplay Football League” (PFL). “Tena niharan’ny tsy rariny izahay. Anisan’izany ny zava-nisy ny alahady teo, baolina tokony hanomboka tamin’ ny 2 ora sy sasany, lasa amin’ny 3 ora sy sasany vao manomboka fa tsy hita ireo mpitsara […]
Lalao Olympika amin’ny andro ririnina : Hisolo tena an’i Madagasikara i Mialitiana sy i Mathieu
Hanana solontena i Madagasikara mandritra ny andiany faha-25 amin’ny lalao Olympika, fanao amin’ny andro ririnina. Fifaninanana hotanterahina any Italie, ny volana febroary ho avy izao. Hiatrika izany i Mialitiana Clerc sy i Mathieu Gravier. Hiatrika ny “slalom” sy ny “slalom géant” i Mia, raha eo amin’ny “slalom géant” ihany ny […]
Pureplay Football League : Misongadina hatrany ny Disciples FC
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahatelo fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League”. Nahazo fandresena fahatelo, tamin’izany ny Disciples FC rehefa nandavo ny Uscafoot tamin’ny isa 3 no ho 1, tao amin’ny Kianja Vélodrome Antsirabe. Manana isa sivy izany izao ny Disciples FC, ary […]
SOMBIM-BAOVAO
Araka ny fikarohana natao omaly, mbola manohy ny diany amin’ny baolina kitra matihanina any Arabia Saodita, i Carolus, Malagasy lohalaharana. Rehefa avy nilalao tao amin’ny Al Sadd izy dia izao nifindra ao amin’ny klioban’ny Al Ain FC, diviziona faharoa, any an-toerana, izao indray. Hotanterahina rahampitso, ny tohin’ny fifanintsanana Eoropeanina, taranja […]





