Anisan’ireo singa iray notakina tamin’ny Kianja Barea Mahamasina ny resaka fandriampahalemana. Manoloana izany, misy ny fampianarana sy fifampizarana traikefa ataon’ny Caf mahakasika izany. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampiofanana eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, izay karakarain’ny Caf. Tonga niatrika izany avokoa ny solontena eo anivon’ny […]
Fanatajahantena
Afa Analakely: hiatrika fifaninanana maro
Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialantsasatra ny ankizy amin’izao fotoana izao. Ho an’ny sekolin’ny baolina kitra, Analakely Football Academy, Afa, maro ny fifaninanana miandry azy ireo. Ho an’ny zazalahy U13, handray anjara amin’ny « Orange Challenge », fifanintsanana izay karakarain’ny Orange sy ny Union des clubs et écoles de Foot (Ucef), any Mahajanga, manomboka […]
Afrika Atsinanana U12: 6 mianadahy hiatrika ny fifaninanana
Hotontosaina any Maputo Mozambika, manomboka anio hatramin’ny 10 aogositra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika aty amin’ny faritra Atsinanana, taranja tenisy, ho an’ny lalao isan-tarika, sokajy zandriny U12, lahy sy vavy. Miisa enina mianadahy izy ireo no hiatrika izany, ka ny telo lehilahy ary ny telo ambiny […]
Kitra – Amboaran’ny Caf: hanainga ny 18 aogositra izao ny Elgeco Plus
Araka ny vaovao nampitan’ ny loharanom-bavao iray avy eo anivon’ny klioba Elgeco Plus, ny 18 aogositra izao ity ekipa ity no hanainga eto Madagasikara ho any Luanda. Raha ny fanazavana voaray hatrany, hanao “escale” ao Addis-Abeba izy ireo ary ny 19 aogositra vao hamonjy an’i Angola. Tsiahivina fa hiatrika ny […]
Tsipy kanetibe – «Mada 2024»: hiatrika ny «Tournoi de St Pierre» i Drogba sy i Misa
Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara ho an’ny olon-droa miaraka, lehilahy, eo amin’ny taranja tsipy kanetibe ny ekipan’ny Mama. Norombahin-dry zalahy, araka izany, ny tapakila handehanana atsy La Réunion. Tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo, teny amin’ny Kianja Tongarivo, ny fifaninanam-pirenena taranja tsipy kanetibe, ho an’ olon-droa. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, ny […]