Fanatajahantena

Barean’i Madagasikara : Roa ihany ny mpilalao avy eto an-toerana

Mpilalao 22 nantsoin’i Corentin Martins, hiatrika ilay lalao ara-pirahalahiana, hihaonana amin’i Guinée Equatoriale, any Torkia, ny 17 novambra ho avy izao. “Roa ihany !” Raman­dimbi­soa Michel, na i Toldo, sy Rabema­nan­tsoa Radoniaina, no hany mpilalao avy eto an-toerana, tazana anatin’ny lisitry ny Barea A, nivoaka omaly, tao amin’ny tambajotran-tserasera. Mitotaly […]

Baolina kitra : Hisedra an’i Guinée Equatoriale ny Barea

Na tsy manana lalao ha­trehina intsony aza ny Barean’ i Madagasikara, hiatrika fihaonana ara-pirahalahiana sady fitsapana izy ireo. Io no fantatra raha ny fampitam-baovao tao amin’ny tambajotran-tseraseran’n  Federa­sionina mala­gasin’ny baolina kitra (FMF), nivoaka omaly. Hifanandrina amin’i Gui­née­ Equatoriale ny Barea ny alatsinainy 17 novambra ho avy izao. Lalao hotanterahina ao Antalya, […]

SOMBIM-BAOVAO

Hifarana anio ny fihaonamben’ny fanatanjahantena maneran-tany. Fihaonana notanterahina tany Rosia, nanomboka ny 5 novambra lasa teo. Niatrika izany ny filohan’ny Komity olympika malagasy sy ny sekretera jeneraliny. Lohahevitra maro no nodinihina nandritry ny hateloana nanatanterahana ny hetsika. Notontosaina nanomboka ny 3 novambra lasa teo hatramin’ny anio, ny fiadiana ny tompondaka […]

Handball – « Mada sénior» : Nihintsana ny THBC Analamanga

Notanterahina, omaly, tao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina, ny dingana ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja handball, sokajy Sénior. Nitranga ny tsy nampoizina teo amin’ny sokajy vehivavy, satria lavon’ny Sifaka Amoron’i Mania ny THBC Anala­manga, anisan’ny ekipa goavana eto Madagasikara. Nion­drika tamin’ny isa tery, 21 no ho 20, […]

“Africa Cup 3×3” : Ekipa afrikanina 24 hiady ny amboara

Iray volana mialoha ny fifaninanana, nanamafy ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel, fa efa mandroso ny fikarakarana ny fandraisan’i Madagasikara ity fifaninanana ity. Fanambarana nataony teny amin’ny biraon’ny FMBB 67 Ha, omaly. Hotanterahina eto Mada­gasikara, ny 5 hatra­min’ny 7 desambra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana […]