Tontosa ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, tetsy amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium, ny dingana ampahefa-dalana mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra (PFL 2025). Anisan’ny lalao nandrasan’ny rehetra ny fihaonan’ny AS Fanalamanga sy ny CFFA Andoharanofotsy. Niady ary samy nampiseho ny fahaizany ny roa tonta. Fihaonana […]
Fanatajahantena
Jiu-jitsu Brezilianina: manan-talenta ny Malagasy mpikatroka
Taranja zandriny kanefa miroborobo sy mivoatra hatrany ny taranja Jiu-jitsu brezilianina. Anisany manatanteraka fifaninanana betsaka indrindra mandritra ny taona ity taranja ity. Ary ny tena mampiavaka azy dia omena sehatra mihitsy ireo klioba eo anivon’ny federasionina hitantana ny fikarakarana ny fifaninanana tafiditra anatin’ny fandaharam-potoan’ny federasionina. Hita taratra ny fiakaran’ny talentan’ny […]
Mpilalao 24 mirahalahy hiatrika fampivondronana
Iray volana mialoha ireo lalao iraisam-pirenena, ny « Masters » sy ny « Tournois estivaux 2025 », hatao any France, namoaka ny anaran’ireo mpilalao voafantina mialoha ho anaty ekipam-pirenena ny federation sport-boules malagasy (FSBM). Masontsivana maro no nifantenana azy ireo. Ho fiatrehana ny “Masters” sy ny “Tournois estivaux 2025”, taranja tsipy kanetibe hatao any […]
Taranja taekwondo : Tafaverina eo anivon’ny Com
Notanterahina omaly, tetsy amin’ny Tometal Mahamasina, ny fivoriamben’ny Kaomity olympika malagasy (Com). Tonga nanatrika izany ireo lehiben’ny federasionina miisa 27, mandrafitra ity kaomity iray misahana ny fanatanjahantena eto Madagasikara ity. Araka ny vaovao voaray teny an-toerana, tafaverina eo anivon’ny Com ny taranja taekwondo WT. Raha tsiahivina, tsy nankatoavin’ny Kaomity olympika, […]
SOMBIM-BAOVAO
Hiditra amin’ny dingana famaranana, amin’ity faran’ny herinandro ity, ny fifaninanana nasionaly N1A, dingana voalohany, ho an’ny vondrona A. Eo amin’ny sokajy vehivavy, hiady ny amboaran’ny ligin’i Boeny ny ekipan’ny MB2All Analamanga sy ny ekipan’ny GNBC Analamanga. Niditra an-tsehatra, omaly, ny solontena malagasy miatrika ny Grand Slam, taranja Jiu-jitsu Brezilianina, any […]