Fanatajahantena

Handball – Afrika « Cadets » : Resin’i Algeria i Madagasikara

“Vao manomboka dia resy!” Ratsy ny vokatra ho an’ny ekipam-pirenena malagasy Akio tamin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2026”, taranja handball, sokajy “Cadets”, sokajy lehilahy ity. Fihaonana tontosaina any Côte d’Ivoire, nanomboka omaly hatramin’ny 22 septambra. Resin’i Algeria, tamin’ny isa 36 no ho 15, ny Malagasy nandritra ny andro voalohan’ny […]

Basikety – “FIBA 3 X 3”, U23 World Cup: Indroa resy ny Ankoay

Faharesena indroa no nisantaran’ny Ankoay ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja basikety lalaovina olona telo, sokajy U23, vehivavy. Faharesena tsy niady ny iray tamin’izany. Noho ny tsy fahatongavana ara-potoana ny anton’izany. Mbola hiatrika lalao roa hafa izy ireo, rahampitso alakamisy. Ratsy fiditra ny Ankoay teo amin’ny fiadiana ny ho […]

Volley-ball: lasan’ny VBCD sy ny GNVB ny amboara

Nifarana ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara, taranja volley-ball, sokajy diviziona faharoa (D2). Ho an’ny vehivavy, lasan’ny VBCD ny amboara nasionaly, rehefa nandavo ny Squad X tamin’ny seta 3 no ho 0, (25,21/25,15/25,21) izy ireo. Marihina fa ny seta voalohany sy ny fahatelo […]

“Fiba 3X3 U23 World Cup”: hidona voalohany amin’ny Ankoay i Lettonie

Hanomboka anio, ao amin’ny Kianja mitafon’i Wuhan-Chine, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja basikety lalaovin’olona telo, sokajy U23, lahy sy vavy na “Fiba 3X3 U23 World Cup”. Anisan’ireo handray anjara amin’izany ny Ankoay Ma­da­gasikara, izay ao amin’ny vondrona “C”, miaraka amin’i Lettonie, Ouganda, Tonga ary i Espagne. Raha ny […]

“Can 2027”: efa fantatra ny ankamaroan’ireo voaantso ho Barea

Na mbola amin’ny alakamisy ho avy izao aza vao hivoaka ny anaran’ireo mpilalao voaantso handrafitra ny Barea, efa namoaka ireo mpilalao nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra, ny ankamaroan’ireo klioba any ivelany, ny herinandro lasa teo. «Afaka andro vitsy !». Ny alakamisy ho avy izao no hivoaka ao amin’ny pejin’ny Fede­rasionina malagasin’ny […]