Fanatajahantena

Rugby – Randriamalala Jean Yves : « Fanamby hapetrakay ny hitondra medaly mody »

Hotanterahina any Dubai, ny 17-18 sy ny 24-25 janoary 2026, ny dingana roa voalo­hany amin’ny fifanintsanana “World Rugby Challenger Series”, ho an’olona 7, sokajy lehilahy. Ity fifaninanana ity izay dingana iray mankany amin’ny sehatra avo indrindra maneran-tany. Nambaran-dRandriamalala Jean Yves (Sprinter), fa hiezaka mafy izy ireo ny hampiakatra avo ny […]

Baolina kitra U15 : Ekipa 32 nifantenana Barea

Notanterahina teny amin’ny Kianja Elgeco Plus Sta­dium, ny alahady teo, ny fifaninanana baolina kitra sokajy zandriny, U15. Fihaonana no­karakarain’ny Association des jeunes entraineurs actifs (AJEA). Tanjona ny hifantenana mpilalao handrafitra ny Barea U15, hiatrika «Tournoi» tanterahina atsy Maurice, ny volana desambra ho avy izao. Nahatratra 32 ireo ekipa nifaninana tamin’ity ka […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina, ireo lalao ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy Senior, lehilahy. Hifandona ny HC Est Atsi­mo Andrefana sy ny Vasia Ihorombe, ny HBC Cut sy ny Masôva ary ny ASRB sy ASSM. Eo koa ny Littoral SC sy ny HTHB. […]

“Ankizy milalao”: Hisy sokajy vehivavy

Hotontosaina ny 8-9 novambra 2025, etsy amin’ny Kianja Betongolo, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny kilonga, “Ankizy milalao”. Hetsika natao hanomezana sehatra ho an’ny ankizy mpankafy ny baolina kitra ary hahafahan’izy ireo mampiseho ny talentany. Hifanintsanana amin’izany ireo sokajy: U7, U9, U11, U13. Hampiavaka azy ny fisian’ ny sokajy vehivavy. […]

Judo-Maitre Arsène: Nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny IJF Academy

Misongadina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray ny Malagasy mpisehatra amin’ny judo. Mpanazatra iray no nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny judo (IJF Academy), ny herinandro teo, dia ny Maître Randrianitovina Arsène Nambinina. Mpanazatra nasionaly eo anivon’ny Federa­sionina malagasin’ny Judo Randrianitovina Arsène Nambinina. Niatrika fiofanana nampitain-davitra nandritra ny 18 herinandro, niampy […]