Notanterahina teny amin’ny Dojo an’ny Esca Antanimena, afakomaly, ny fifaninanana taranja Jiu-jitsu brezilianina, “Kids Bjj Games”, izay natokana ho an’ny ankizy 6 hatramin’ny 16 taona. Hetsika izay nokarakarain’ny klioban’ny BJJ Esca. Nanjaka ny mpilalaon’ny Checkmat Madagascar, izay nandrombaka medaly 16 (valo ny volamena, fito ny volafotsy ary iray ny alimo). […]
Fanatajahantena
Elgeco Plus – Amboaran’ny Caf : hatao any Angola ny lalao mandroso sy miverina
Tsy mankany Maurice indray ny ekipan’ny Elgeco Plus, solontenan’ny Malagasy amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (CCaf). Any Angola izy ireo no hanao ny lalao roa. Tsy raikitra ny tany Maurice. Nilaza ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny klioba Elgeco Plus de Madagascar fa any Angola no hanao […]
Sombim-baovao
Nitsara ny lalaon’i Serbie sy i Porto Rico, vondrona “A”, sokajy vehivavy, any amin’ny lalao Olympika tanterahina any France, i Yann Vezo Davidson, Malagasy mpitsara basikety. Omaly no niatrehany izany, tao amin’ny kianja mitafon’i Pierre Mauroy, ao Lille. Tsiahivina fa izy no hany afrikanina mpitsara voatendry amin’izany. Notanterahina nanomboka omaly, […]
Echecs – Mada 2024: 12 mianadahy nahazo tapakila mankany Tunisie
Nifarana omaly, tetsy amin’ny Kianja mitafon’ny Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja Echecs, sokajy U7 hatramin’ny U17, lahy sy vavy. Ankizy 12 mianadahy, (6 lahy, 6 vavy) no misolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana afrikanina, hatao any Tunisie, ny taona 2025. Araka ny fanazavana azo tamin-dRambolamalalatiana Haja, […]
Lalao Olympika: «Tsy hahazoam-bokatra tsara ny fanomanan-tena eto Madagasikara», hoy i Jonathan
Atleta voalohany niatrika ny fifaninanana any amin’ny lalao Olympika, tanterahina any Paris Frantsa, Raharvel Jonathan, mpilomano. Nihintsana teo amin’ny dingana voalohany izy ary tapitra hatreo ny lalany, amin’ity fihaonana goavana ity. Vao teo amin’ny dingan’ny fifanintsanana dia efa nangoron-damba Raharvel Jonathan, mpilomano, teo amin’ny lalao Olympika atao any Paris Frantsa. […]