Enin-taona aty aoriana, hifandona indray i Maroc sy i Sénégal. Fifanandrinana anatin’ny famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, “Can 2025”, izay tontosaina any Maroc, amin’izao fotoana. Ho fantatra ny alahady ho avy izao izay ho mpandresy amin’izany. Adin’ny samy liona! Ho fantatra ny alahady ho avy izao, […]
Fanatajahantena
JJB-tompondakan’i Eoropa : Hiakatra an-tsehatra rahampitso i Xavier
Rahampitso no hiakatra an-tsehatra, hifaninana amin’ ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa, taranja Jiu-jitsu Breziliana, ny solontena malagasy, Ranarivelo Xavier. Fifaninanana tanterahina any Lisbonne. Ilay teratany Espaniola, i Castro Marcos Rodriguez, avy amin’ny ekipa Stealth BJJ San Sebastian no hifanehatra voalohany aminy amin’io sabotsy io, raha ny fandaharam-potoana. Mafimafy ny miandry […]
Atletisma Analamanga: Lany ho filohan’ny ligy Razafimandimby Roger
Notanterahina ny alarobia lasa teo, tetsy amin’ny foibe toeran’ny federasionina malagasin’ ny atletisma Alarobia, ny fifidianana izay ho filohan’ ny ligin’Analamanga, taranja atletisma. Lany hitantana izany, mandritra ny efa-taona manaraka, Razafimandimby Roger. Miisa roa ireo kandidà nifaninana tamin’izany, Andriamahery Fanomezantsoa sy Razafimandimby Roger. Seksionina dimy no nandatsa-bato, Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, […]
Baolina kitra – PFL: Manambana hikomy ny mpitsara ao Mahajanga
Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Mandeha ny resaka any amin’ny faritr’i Boeny fa misy andiana mpitsara hikasa ny hikomy indray any an-toerana. Nilaza ny eo anivon’ny CFEM fa efa nampitandrina an’izay mpitsara mikasa […]
SOMBIM-BAOVAO
Araka ny fikarohana natao omaly, namoaka ny lisitr’ireo mpilalao hifandona amin’ny Albacete, ny ekipan’ny Real Madrid Fc, Espagne. Tsikaritra tao anatin’ izany lisitra izany fa tsy ao ry Mbappé, Rodrigo, Carreras, Trent Alexander Arnold, Bellingham, Rudiger, Tchouameni ary i Courtois. Kotrana sy fiarahana mikorana no hanombohana ny taona ho an’ny […]





