Fanatajahantena

Raharimalala Léa : Hamarana ny fankalazana ny 50 taona nanaovany volley

Hotanterahina ao amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano ny famaranana ny fankalazana ny jobily faha-50 taona niseharan-dRaharimalala Léa Manary teo amin’ny taranja volley- ball. Ny 22, 23 ary 24 janoary izao ny fotoana nosafidian’ny filohan’ny Fede­rasionina malagasin’ny volley-ball hamaranana ny jobily fankalazana ny faha-50 taona nanaovany volley. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra […]

Raharimanantsoa Hugues : Homarihina amin’ny fampiofanana ny faha-80 taonany

Homarihin-dRaharimanan­tsoa Hugues amin’ny fampiofanana sy fifampizarana traikefa ny fankalazany ny faha-80 taonany, ny 31 janoary izao. Taranja 4 no hanomezany izany. Eo ny taranja karate-do, Yoseikan Budo, Tai Chi Chuan ary ny Iai Do. Hotan­terahina eny amin’ny Kianja mitafo Ankatso ity hetsika ity ka hizara roa mazava tsara. Ny iray […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina any Maurice, ny volana febroary ho avy izao, ny fifanintsanana eo amin’ny taranja Taekwondo WT, ho an’ireo firenena aty amin’ny faritra fahafito. Vonona ny handray anjara amin’izany i Madagasikara, ary mikasa ny handefa atleta lahy sy vavy. Ho fanomanana izany, misy ny lalao fitsapana ho an’ireo Malagasy mpikatroka eny […]

Filaharan’ny Fifa : Tafakatra laharana faha-104 i Madagasikara

Nivoaka afakomaly, tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Federasionina iraisam-pirenena ho an’ny baolina kitra, ny filaharana vaovaon’ireo firenena mifanintsana amin’ity taranja ity maneran-tany. Nisondrotra eo amin’ny laharana faha-104 i Madagasikara na dia tsy nandray anjara tamin’ny Can farany teo aza. Niakatra laharana iray indray. Na dia tsy niatrika ny fiadiana ny am­boaran’i Afrika […]