Fanatajahantena

Rugby – «Federale 2» : hidona ny JSTA sy ny Stade

Hianoka lalao goavana indray ny mpitia taranja rugby, manomboka rahampitso. Etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena no hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’ny “Fédéral 2”. Miisa 4 ny fandaharan-dalao voalahatra amin’izany ka anisan’ny andrasan’ny rehetra ny fihaonan’ny JSTA Ambondrona sy ny Stade Olympique de l’Emyrne (SOE). Ekipa diso mifankahalala tsara saingy […]

Échecs – Mada 2024 : hiadiana ny tapakila handehanana any Tunisie

Nahavory ankizy maro ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja échecs, izay natao teto an-dRenivohitra, nanomboka omaly. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika any Tunisie izay mahazo ny laharana voalohany isan-tsokajy. Notanterahina nanomboka omaly, hatramin’ny rahampitso, etsy amin’ ny kianja mitafon’ny Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara taranja échecs, sokajy […]

Lalao Olympika 2024 : hisantatra ny fifaninanana i Jonathan, anio

Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy, tao Paris France, ny lalao Olympika 2024. Firenena 206 no hiady medaly volamena amin’ny taranja 47. Anisan’ireo i Madagasikara. Hisantatra ny fiakarana an-tsehatra, Raharvel Jonathan eo amin’ny taranja lomano. Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny lalao Olympika 2024, notanterahina tao amin’ny reniranon’i Seine, omaly, avy hatrany […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny 28 jolay hatramin’ny 4 aogositra ho avy izao, eny amin’ny kianja mitafon’ny CJST Toamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taona 2024, ho an’ny sokajy zandriny U18, lahy sy vavy. Tsiahivina fa nanjakan’ny GNVB Analamanga tanteraka ny fifanintsanana U14 sy U16, izay natao tany Mahajanga, ny 14-20 jolay lasa […]

Tsipy kanetibe: tapakila roa ho any La Réunion izay tompondaka

Hotontosaina ny 2 hatramin’ny 4 aogositra ho avy izao, etsy Tongarivo Tanjom­bato, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ta­ranja tsipy ka­netibe, ho an’olon-droa miaraka, lahy sy vavy. Ho an’ny so­ka­jy “se­niors” lehilahy, mahazo tapakila roa, mandroso sy mi­verina, makatsy amin’ny nosy rahavavy La Réunion, izay voahosotra ho tompondaka amin’izany. Hahazo […]