Fanatajahantena

Baolina kitra – Amboaran’ny Caf: any Maurice no handray lalao ny Elgeco Plus

Any ivelan’i Madagasikara no handray ny lalao mandroso, ny ekipan’ny Elgeco plus, solontenan’ny Malagasy amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (CCAF). Tsy mbola manana kianja ankatoavin’ny Caf i Ma­dagasikara. Araka izany, nilaza ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny klioba Elgeco Plus de Madagascar fa any Maurice no handray […]

“Forum Mini-Basket” : ankizy 400 hanaraka fiofanana

Hanomboka anio, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny “Forum Africain Mini-Basket”. I Madagasikara no mampiantrano ity andiany faha-6 ity, izay hositrahin’ny ankizy miisa 400 manerana ny Nosy. Atrikasa fampianarana basikety ho an’ny ankizy ny “Forum Africain Mini-Basket”, izay ahitana fampiofanana isan-karazany. Mpanazatra 70 avy amin’ny firenena afrikanina 15 ihany koa […]

Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena : nosarihin’ny minisitra tamin’ny lahateniny ny rehetra

Notontosaina tetsy amin’ ny Kianja Barea Mahamasina, ny sabotsy lasa teo, ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahan­tena. “Ny fanatanjahantena ho an’ny fampandrosoana sy ny fandriampahalemana” ny lohahevitra tamin’izany. Tonga nankalaza izany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), mpisolo toerana, Ramonjavelo Valéry, sy ireo mpiara-miasa aminy. Nosari­hin’ity […]

DAKA AN-JORONY: Aza atao toy ny kitapo afak’entana

Misavoritaka indray ny tontolon’ny fanatanjahantena mialoha ny hiatrehana ny lalao Olympika tanterahina any Paris France, afaka 11 andro. Toy ny mahazatra rehefa misy fivoahana, tsy milamin-tsaina mihitsy ny atleta. Rehefa tsy mitebiteby noho ny saran-dalana, mitaintaina amin’ny tsy faham­piana. Izao indray mitakokokoko fa novaina ny mpanazatra efa nanomana azy hatramin’izay. […]