Anisan’ireo mpilalao tenisy, hiatrika ny “Roland Garros” hatao ao Frantsa, Rakotomanga Rajaonah Tiantsoa Sarah. Fanasana manokana na “wild card” avy amin’ny mpikarakara no hahafahany manao izany, araka ny tati-baovao avy amin’ny federasiona frantsain’ny tenisy. Hanomboka ny 20 mey ho avy izao izany fifaninanana izany ary haharitra hatramin’ny 9 jona 2024. […]
Fanatajahantena
Baolina kitra : hanohana ny fifaninanam-pirenena “PFL” ny Coca-Cola
Hiara-dalana amin’ny Club de football Elite de Madagascar (CFEM), manomboka izao ny Groupe Habibo soloin’ny marika Coca-Cola. Herintaona azo havaozina ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Coca-cola Pureplay Football 2024. Io indray no hiantsoana ny fifaninanam-pirenena, taranja baolina kitra manomboka izao. Hanohana sy hiara-kiasa amin’ny Club de Football Elite de Madagascar (CFEM), […]
SOMBIM-BAOVAO
Hanainga anio, hihazo ny Debrecen, ny Ankoay lahy, hiatrika ny fifaninanana hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny «lalao Olympika Paris 2024», taranja basikety 3×3. Ao amin’ny vondrona A no misy an’i Madagasikara, hifandimby hihaona amin’izy ireo ao i Allemagne, Suisse ary Lithuanie. Nihintsana teo amin’ny lalao ampahavalon-dalana avokoa ireo solontenan’i […]
Ecole de Rugby Manjakamiadana : nanome fitaovana ireo kilonga i Jeanne Sorrin
Fihetsika tsotra nefa feno fitiavana sy fanetren-tena no nataon’i Jeanne Sorrin, ilay Malagasy mpilalao rugby, mipetraka any Frantsa avy nanatevina ny Makis Ladies niatrika ny “Can 2024”, farany teo. Nialoha ny nandaozany an’i Madagasikara, tonga nitsidika ny Ecole de rugby Manjakamiadana ny tenany, omaly talata. Nitondra izay voarambin’ny tanany izy, […]
“Motocross – Mada 2024”: hatao any Manakara ny dingana fahenina
Hotanterahina any Manakara, ny 19 mey ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Motocross, dingana fahenina. Fotoana iray ahafahan’ireo Malagasy mpilalao moto eto Madagasikara manamafy ny toerany amin’ny fifaninanana nasionaly, indray. Tsiahivina fa nandritra ny dingana fahadimy, izay natao tany Datsara, ny 31 marsa lasa teo, azon’i […]