Fanatajahantena

Tia Kitra FC sy Jet Kintana : mitaky ny fampiharana ny lalàna ny filohany

Afaka andro vitsy, hanomboka ny fifaninanam-pirenena « Pureplay Football League (PFL) » , taranja baolina kitra. Miantso ireo mpitantana ny klioba Jet Kintana Itasy sy ny Tia Kitra Toamasina, manoloana ny fampiharan-dalàna. Nampahafantarina, omaly, teny Anosy fa mihintsana any amin’ny diviziona faharoa ny Tia Kitra FC Toamasina sy ny Jet Kintana Itasy. Manoloana […]

Ping pong – “Jeux Africains” : mpilalao valo hiaro ny voninahi-pirenena malagasy

Hotanterahina any Accra, Ghana, ny 8 hatramin’ny 24 marsa ho avy izao, ny fifaninanana afrikanina, andiany faha-13. Ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra, mpilalao miisa valo no hiaro ny voninahi-pirenena any an-toerana. Taorian’ny lalao fitsapana natao teny Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Hi­ampy an-dry Razafindralambo Zo Nandrianina sy Randria­natoandro Luciano […]

Tenisy – “J 200 Cairo” : resin’i Voavy Mitia ilay espaniola

Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara, omaly. Tafakatra amin’ny dingana manaraka Andraina Voavy Mitia, vehivavy malagasy mpilalao tenisy. Notanterahina tany le Caire Egypte, nanomboka omaly, ny fifaninanana “J 200 Cairo”, taranja tenisy, sokajy junior, lahy sy vavy. Raha ho an’ny sokajy vehivavy lalaon’olon-tokana, tafita any amin’ny dingana faharoa Andraina Voavy […]

Ski alpin-«Mondiaux junior 2024»: laharana faha-56 i Theo Montaigne

Nifarana ny sabotsy teo, tao St Jean d’Aulps Frantsa, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja fikorisana an-dranomandry, ski alpin, sokajy junior, na ny fis junior «World ski championships». Nanana solontena roa niatrika izany i Mada­gasikara. Azo lazaina fa teo ho eo ny vokatra azon’izy ireo. Anisan’ iza­ny, i Montaigne […]