Tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny Caf ny kianja Barea, ny alahady lasa teo. Namoaka ny kianja handraisana ny lalao roa hihaonan’i Madagasikara amin’i Comores sy Mali ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny Federasiona malagasin’ ny baolina kitra (FMF), nandritra ny fivoriana natao omaly, hotanterahina any […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Afaka andro iray sisa, hanomboka ny fifaninanana hiadiana ny tapakila hiatrehina ny « lalao Olympika Paris 2024 », taranja Basikety 3×3, hatao any Debrecen, ny 16 hatramin’ny 19 mey ho avy izao. Nisy ny lalao fanomanana nataon’ireo Ankoay lahy, tany Belgrade Serbie. Tamin’ireo fihaonana dimy natao, nahazo faharesena iray sy fandresena efatra […]
Tsipy kanetibe – Mada 2024: nanao pao-droa ny klioba C2BA Vakinankaratra
Tontosa teny amin’ny Kianja Ivato, ny zoma hatramin’ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena, taranja tsipy kanetibe, sokajy olon-tokana. Nisongadina ny klioba C2BA Vakinankaratra izay nanao pao-droa. Lasany avokoa ny teo amin’ny “senior” lahy sy vavy. Adin’ny samy zareo ny famaranana, teo amin’ny lehilahy. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara i Andry Herilalaina […]
Taekwondo malagasy : hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena roa
Notanterahina teny Mahamasina, omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha vaovaon’ny taekwondo malagasy (FMTKD), Rakotomanana Franck Tiana, sy ny filohan’ny FMTKD teo aloha, Ramanantsoa Christian. Nandritra ny lanonana no nilazan’i Dimbiheriniaina Fanomezantsoa Pharlin, tale teknika nasionalin’ny Federasiona, fa misy fifaninanana iraisam-pirenena lehibe roa miandry an’i Madagasikara. Anisan’izany ny fiadiana ny ho […]
Kitra – Ampahefa-dalana «Play off» : hatao eto Antananarivo ny lalaon’ ny 3FB Toliara sy ny Asa Diana
Hiova ny fandaharam-potoana amin’ny fanatontosana ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Pureplay Football League” (PFL). Ekipa roa no tsy hilalao any amin’ny kianjany, dia ny 3FB Toliara sy ny Asa Diana. Nivory teny Andoharanofotsy, omaly, ny CFEM sy ireo filohana klioba tafita amin’ny ampahefa-dalana, amin’ny “Pureplay football league […]