Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Tohin’ny “Morengy Iarivo” natao teto Antananarivo, ny 6 avrily lasa teo, hiditra amin’ny avo lenta kokoa ny fifaninanana izay karakarain’ny Boîte Noire. Hisy, araka izany, ny “Morengy International” hatao ny 18 mey izao, any Nosy Be. Ady anisan’ny andrasana ny fifandonan’i Manu Phoenix avy any La Réunion sy ny Malagasy, […]

Dihy ara-panatanjahantena : Hatao ny 29 avrily izao ny fifidianana

Nifarana omaly alina ny fara fandraisana ny antontan-taratasy firotsahana hofidina ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena. Mbola tsy fantatra kosa anefa hatreto ny isan’ny kandidà fa miandry ny famoahana izany amin’ny fomba ofisialy. Saingy raha ny loharanom-baovao dia tsy kandidà tokana fa misy mpifanandrina. Tsiahivina fa ny talata 29 avrily […]

Motorshow 2025 : Nahasarika olona maro ireo fiara hiaka farany

Nianoka ny fahafinaretan’ny taranja mekanika ireo mpitsidika tonga maro tetsy Mahamasina nandritra ny “Motorshow 2025”, andiany faharoa. Afapo ny maso, nahazo fafiny ny vatana nahita sy niaina ireo fireondreon’ny moteran’ireo fiara sy kodiaran-droa naseho nandritra ny roa andro. Fahombiazana ny “Motor­show 2025”, andiany faharoa. Fihaonana sy fampirantiana ireo fiara sy […]

Tsipy kanetibe – « Masters 2025 »: Nasain’ny federasionina iraisam-pirenena manokana i Zigle sy i Tiana ary i Donald

Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny « Masters 2025 », hotanterahina any France afaka telo volana ry Zigle sy Tiana ary Donald. Noho ny nandrombahan-dry zalahy ny laharana faharoa nandritra ny « Mondial 2024 », ny anton’izany. Tsy hiaraka amin’izy telo mirahalahy i Racl fa hitondra ekipa manokana. Noho ny vokatra […]

Disciples FC : Nanokatra botika ho an’ny mpankafy azy

Nampahafantarina ny zoma teo, tetsy Ankadindratombo, ny fisokafan’ny botika Disciples FC Store. Tranom-pivarotana akanjo sy fitaovana baolina kitra, izay nataon’ny Disciples FC Vakinankaratra ho an’ireo rehetra mankafy azy ireo sy ny mpitia ny taranja baolina kitra. Tanjona amin’izany ny hidirana amin’ny sehatra matihanina, ny hampivelarana sy ny hampandrosoana ny klioba, […]