Hotanterahina ny sabotsy 5 septambra ho avy izao, eny amin’ny SRK Imerintsiatosika, ny “Course de côte asphalte” sy ny andiany voalohany amin’ny “Slalom asphalte”. Fifaninanana karakarain’ny klioba TMF. Manaraka ny fepetra iraisam-pirenena sy ny fitsipiky ny Fédérasion sport-automobile Madagascar (FSAM), ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2026 izany. Hanana […]
Fanatajahantena
Taranja Volley-ball: Danny Racap, mpanazatra sady mpanao gazety
Anisan’ireo angady nananana, nahazoan’ny ekipa nasionaly, sokajy vehivavy, ny medaly volamena nandritra ny “Championnats des Nations U18”, taranja volley-ball, natao teto Madagasikara, ny 4-12 aogositra lasa teo, ny mpanazatra, Rakotondrasoa Danny na i Danny Racap. Lehilahy nobeazina tao anatin’ity taranja ity nanomboka ny taona 2000 ny tenany. Tany Mahajanga no […]
Taranja Judo: atleta malagasy efatra hiofana any Kosovo
Ho fanamafisana sy fitrandrahana ny paikady vaovao enti-miakatra eny an-kianja, atleta malagasy efatra hiofana telo volana, any Kosovo, manomboka amin’ity volana septambra ity. Atleta malagasy efatra amin’ny taranja judo: roa lahy, roa vavy no fantatra, afakomaly, fa handeha hiatrika fiofanana “Training Camp” any Kosovo, mandritra ny telo volana. Hanomboka amin’ity […]
Handball – seniors 7 ny ekipa vehivavy ary 10 ny lehilahy
Tontosaina nanomboka omaly, tao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy seniors, lahy sy vavy. Raha ny fanadihadiana natao, omaly, teny an-toerana, miisa fito ireo ekipa vehivavy mifaninana. Toa an’ny My-Sah avy any Itasy, ny THBC Analamanga, ny Sofia Misoma, ny SRB Boeny, TMI […]
Basikety – Mada U16: tompondaka ny Ascut sy ny Fandrefiala:
Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy U16, zazalahy, ny Ascut Atsinanana ary ny Fandrefiala no teo amin’ny zazavavy. Tontosa ny alahady teo, tany amin’ ny Kianja mitafon’ Amoron’i Mania, ny famaranana teo amin’ity fifaninanam-pirenena ity. Samy nandresy ny ekipan’ ny St Michel avokoa ireto ekipa ireto, nandritra izany. Ho an’ ny […]





