Fanatajahantena

Handball – «Can Juniors»: lalao miaro voninahitra sisa ny an’ny Akio

“Voninahitra sisa arovana”! Hontosaina anio, any Abidjan, Côte d’Ivoire, ny andro fahatelo, fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny vondrona “B”, amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2026”, sokajy “Juniors”, lehilahy ity. Ho an’ny ekipa nasionaly malagasy Akio, toy ny lalao am-boninahitra sisa ny fihaonany amin’i Nigeria, anio, satria na mandresy aza […]

Baolina kitra: mikasa ny ho mpanazatra i Sedera

Mpilalao anisan’ny nanana ny lazany tao amin’ny klioban’ny Ajesaia, nanomboka ny taona 2003-2010, Randriam­parany Sedera Mathieu, na i Sedera. Ankehitriny, mpilaravinahitra atsy La Réunion, ary milalao ao amin’ny klioba AS Excelsior ny lehilahy. Araka ny fanadihadiana natao taminy, ny faran’ny herinandro teo, manana fikasana ny hanao mpanazatra ny tenany, rehefa […]

Olan’ny tsipy kanetibe: nifanazava ny FSBM sy ny UBMT

Tsy nanao resaka ambadika zary fosa ny Federation sport-boule malagasy (FSBM) sy ny klioba UBMT momba ny olana iainan’ny tsipy kanetibe, ankehitriny. Nifanatrika sy nifanazava. Takin’ny UBMT sy ireo filohana klioba ary ireo Malagasy mipetraka any ivelany ny hanalana ny mpandrindra iraisam-pirenena. Manoloana ny savorovoro eo amin’ny tontolon’ny tsipy kanetibe, […]

Handball – Can Junior: indroa resy ny Akio Madagasikara

Faharesena indroa no azon’­ny Akio Madagasikara, teo amin’ny andiany faha-33 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2026), taranja handball sokajy “junior” lehilahy. Fihaonana tantera­hina any Abidjan Côte d’Ivoire. Teo amin’ny andro voalohany natao ny sabotsy lasa teo, ho an’ny sokajy “B” lavon’i An­gola tamin’ny isa 49 no ho 17 […]

Rugby – XXL Top 12: voahositra ho tompondaka ny Cosfa

Tontosa omaly, tetsy amin’ ­ny kianja Makis Andoha­tape­naka ny famaranana niadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara, taranja rugby XXL Top 12. Voahosotra ho tompondakam-pirenena ny Cosfa (Be­baoty) rehefa nandresy ny Uscar, tamin’ny mokafohy, 26 no ho 25. Niady tanteraka ny fihaonana satria nifanenjehana hatrany ny isa. Na izany aza, nitarika 8 […]