Fanatajahantena

Baolina kitra – Amboaran’ny CAF: nindram-bola handehanana any Zambia ny FC Rouge

Na dia ao anaty fahasahiranana aza ny klioba FC Rouge, fantatra fa anio izy ireo no hanainga eto an-tanindrazana, hihazo an’i Zambia. Mbola tsy misy tokotaniny kosa ny fihaonana miverina. Hiala eto an-tanindra­zana, etsy Ivato, anio folakandro, hihazo an’i Ndola Zambia, ny delega­sionin’­ny FC Rouge, hiatrika ny lalao mandroson’ny dingana […]

Zoky Kaleba sy A. Ravaka: miantso ny handravo­nana ny disadisa

Manoloana ny savorovoro sy ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny taranja tsipy kanetibe, nanao fanambarana tamin’ny alalan’ny tenany manokana avy ireo mpitantana toa an’i Zoky Kaleba sy Andriantsiferana Ravaka, omaly, tetsy amin’ny Arkadia Analakely. Manao antso avo amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ity taranja ity izy ireo mba hifanatona sy hifampiresaka ary handravona […]

Volley-Ball- Amboaran’i Madagasikara: nanjakan’ny klioban’Analamanga ny fifaninanana

Tontosa tao amin’ny Kian­ja mitafon’i Mahajanga, ny sabotsy lasa teo, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, ho an’ireo sokajy U15, U21 lahy sy vavy. Nanjakan’ny ekipan’Anala­man­ga ny fifaninanana. Raha ho an’ny U15, vehivavy, lasan’ny MVBC ny amboara, rehefa nandavo ny CRJS Atsi­nanana, tamin’ny seta 3 no ho 2 izy […]

Basikety – Mada U16, tovovavy: Lavon’ny Pintade ny Ascut

Notanterahina ny alakamisy lasa teo ny dingana ampahavalon-dalana iadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja basikety, sokajy U16, lahy sy vavy.  Fihaonana atao any Amoron’i Mania. Anisan’ ny vokatra nisongadina ny fandresen’ny Pintade Amo­ron’i Mania ny Ascut Atsinana­na, tamin’ny isa tery 58 no ho 53, ho an’ny tovovavy. Lalao niady hatramin’ny farany. […]