Tsara fiditra ny CFFA teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Ratsy fanombohana kosa ny FC Rouge, eo amin’ny fifanintsanana ho an’ny amboaran’ny kaonfederasiona. Vokatra, teo amin’ny fihaonana savaranonando mandroso avokoa ireo. Notanterahina ny sabotsy lasa teo, ireo lalao roa amin’ny fifanintsanana afrikanina, taranja baolina kitra ho an’ny ekipa tompondaka […]
Fanatajahantena
Fifaninanana afrikanina: vonona ny CFFA sy ny FC Rouge
Samy hiakatra kianja, anio, ny CFFA sy ny FC Rouge, eo amin’ny fifaninanana afrikanina. Ho an’ny CFFA, hotontosaina ao amin’ny Kianjan’ny Côte d’Or, Maurice, ny lalao mandroso hihaonan’izy ireo amin’ny Lijabatho Lesotho. Fihaonana tafiditra anatin’ny dingana voalohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Ligue des Champions Caf” izy ity. Ho an’ny […]
Rugby – Lalao sakana « Top 12 »: hiady toerana ny Cheminots sy ny RCSA
Hotontosaina rahampitso maraina, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao sakana hiakarana sy hijanonana ao amin’ny fifaninanana Federaly I, “XXL Top 12”. Hifanandrina amin’izany ny USC Cheminots na ny Besetroka sy ny RCSA Anosibe. Fihaonana azo heverina ho toy ny famaranana kely ity hiseho ity satria tsy maintsy hiezaka ny […]
Baolina kitra: mpanazatra ny Barea U23 i Hery Be sy i Boualem Mankour
Miomana amin’ny fiatrehana ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny Can 2027, sokajy U23, ny Barean’i Madagasikara. Efa voatendry ireo mpanazatra hisahana izany. Ho an’ny mpilalao eto an-toerana, i Hery Be ary ny an’ireo any ivelany kosa hataon’i Boualem Mankour. Voatendry ny alakamisy lasa teo Rabearisoa Herimanitra (Hery Be) sy i Boualem […]
Tompondakan’i Afrika – « FifaE 2026 »: samy notolorana 1 tapitrisa Ar ireo tompondaka
Notontosaina tetsy amin’ny foibe Yas Andraharo, omaly, ny fankalazana ny maha tompondakan’i Afrika an’i Madagasikara nandritra ny fifanintsanana « jeux FifaE » 2026 natao tany Maroc, ny 27 – 29 aogositra lasa teo. Notoloran’ny Yas Madagascar vola 1 tapitrisa Ariary avy i JZ Rayan sy Roberto SK, Malagasy niaro ny voninahi-pirenena, taorian’io […]





