Nigadona an-tanindrazana, omaly, ny delegasionina malagasy eo amin’ny taranja Karate, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Cadet, Junior ary Senior, natao tany Nizeria, ny herinandro lasa teo. Ankoatra ny medaly alimo 5 azon’ireo atleta malagasy, vaovao lehibe maro ihany koa no nentin’ny Federasionin’ny karate-do malagasy avy any Nizeria. Goavana […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Manohy ny fanazarantenany hatrany ny Barea de Madagascar A’, izay miatrika ny “Chan 2025” any Tanzanie, amin’izao fotoana izao. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, somary mafana ny andro raha oharina amin’ny aty Madagasikara, ary miezaka manamafy hatrany ny taktika efa napetraka ny mpanazatra sy ny mpilalao. Nihemotra amin’ny […]
Lalaon’ny CJSOI : Notoloran’ny filoha fitaovana ny atleta
Notoloran’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), izay tarihin’ny minisitra Moustapha Abdulah Marson, fitaovana ireo atleta sy teknisianina malagasy miisa 119 handray anjara amin’ny CJSOI, omaly, tetsy Mahamasina. Fifaninanana izay hotanterahina any Seychelles, ny 1 hatramin’ny 10 aogositra ho avy izao. Fanohanana 100 % avy amin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry […]
Tenisy ambony latabatra – «Afrique Junior»: Nivoaka ho mpandresy i Tiana sy i Riana
Tsara fanombohana ny Malagasy mpilalao tenisy ambony latabatra, teo amin’ny fifaninanana ho an’olon-tokana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy Junior. Samy nahazo fandresena avokoa mantsy i Tiana sy i Riana teo amin’ny U15, vehivavy. Manohy ny lalany, araka izany, izy ireo. Nitohy omaly alarobia, tany Lagos Nigeria, ny fiadiana ny […]
Kick Boxing-Analamanga: Nitombo ny mpandray anjara
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja kick-boxing. Nitombo ny isan’ny mpandray anjara ary niakatra ihany koa ny lentan’ny fifaninanana, araka ny nambaran’ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny ligy. Ady miisa 69 no nitranga nandritra ny iray andro ary “classe A” ny […]




