Efa tonga any Tanzanie, omaly, tamin’ny efatra maraina ny delegasionina Barea de Madagasikara A’, hiatrika ny Chan any Tanzanie, Ouganda ary Kenya, araka ny vaovao voaray avy any an-toerana. Ny atoandro teo ihany moa izy ireo dia efa niatrika ny fanazaran-tena. Tsara ny mampahatsiahy fa i Mauritanie no mpifanandrina voalohany […]
Fanatajahantena
Echecs-« Elo FIDE »: Fahombiazana tanteraka
Fahombiazana ny fifaninanana « Elo Fide », taranja Echecs, notanterahina teny amin’ny Orange Digital Center, ny faran’ny herinandro teo. Tafakatra 132 ny mpifaninana nandray anjara nandritra izany. Nahitana klioba 19: ny MCG, CCT, KOM, CEA, FRR, CGM, CEJCA, QCM, IKM, Élite Bongolava, Doka Chess, Ankatsuki, La Vallée Chess Club, ACC, Mahats’art, Pion […]
Rugby-Cosfa : Nodimandry i Rija mpanazatra
Misaona ny tontolon’ny rugby malagasy. Nodimandry ny alatsinainy 28 jolay lasa teo, Randrianarison Rija Patrick Martin (Coach Rija), mpanazatra ny Cosfa. Tampoka ny fahafatesany, raha ny nambaran’ireo olona akaiky azy, satria mbola nijery baolina teny amin’ny Kianja Makis Itompokolahy, ny alahady lasa teo. Raha ny angom-baovao, fianjerana teo amin’ny tohatra […]
Baolina kitra – « Sokake Cup 2025 » : Handray anjara ny Hienghène Sport Nouvelle-Calédonie
Hampiantrano lalao iraisam-pirenena amin’ny baolina kitra i Madagasikara. Fihaonana natokana ho an’ireo kilongakely, lahy sy vavy, latsaky ny 15 taona. Anisan’ireo hifaninana amin’ity ny ekipan’i Hienghène Sport avy any Nouvelle-Calédonie. Hiara-dalana ny fanatanjahantena sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Hotanterahina ao amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, ny 4 sy 5 aogositra ho […]
D’Or VolleyBall : Hanangana klioba U14 sy U16
Sekoly misehatra amin’ny fampianarana ny taranja volley-ball ho an’ny ankizy, ny « D’Or VolleyBall ». Avy amin’ny anaran’ilay mpilalao Michel Doraline, antsoina hoe Boudah, no namoronana ny anaran’ity sekoly ity. Roa taona teo izay no niorenany ary manana vina maro izy ireo ho fampivoarana ity taranja ity, ho an’ireo mpianatra ao aminy. […]




