Hifantoka atsy Tanzanie, amin’ity faran’ny herinandro ity, ny sain’ny mpitia fanatanjahantena rehetra, indrindra ny mpankafy baolina kitra. Hotanterahina any mantsy ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana amin’ny “Chan 2025”. Anisan’izany ny Barea de Madagascar A’, hifanandrina amin’i Mauritanie. Hanomboka rahampitso alahady ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, […]
Fanatajahantena
« Ma-Hery Futsal » : Hahazo lelavola 2 tapitrisa Ariary ny tompondaka
Hotontosaina ny 1 hatramin’ny 7 septambra ho avy izao, etsy amin’ny Kianjan’ny Ankoay Ankorondrano, sy eny amin’ny Gymnase Mahamasina, ny fifaninanana « Ma-Hery Futsal ». Fifanintsanana izay karakarain’ny Fief Mada ho an’ireo mpianatra eny amin’ny Oniversite rehetra na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Araka ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo, omaly, tetsy […]
SOMBIM-BAOVAO
Hosokafana amin’ny fomba ofisialy anio, eny amin’ny “Village touristique” Mahajanga, ny fifaninanana nasionaly Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), ho an’ny taona 2025. Hitohy avy hatrany amin’ny fivoriana ara-teknika izany aorian’izay. Nanomboka omaly 31 jolay ary hitohy anio sy rahampitso, any Fianarantsoa, ny “Challenge de Betsileo”, taranja karate. […]
Tsipy kanetibe : Hahemotra ny fifaninanam-pirenena
Raha ny fandaharam-potoana eo anivon’ny Federation sport boule de Madagascar (FSBM), tokony hotanterahina manomboka anio zoma 1 ka hatramin’ny alahady 3 aogositra ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’olo-tokana, lahy sy vavy. Voatery hahemotra amin’ny fotoana manaraka anefa izany noho ny vesatry ny fikarakaran’ny FSBM ireo […]
Echecs : Mifanenjana ny federasionina sy ny ligin’Analamanga
Samy manana ny fanazavany ny federasionina sy ligin’Analamanga manoloana ny disadisa eo amin’ny roa tonta. Mihenjan-droa ny tady! Nitondra fanazavana manoloana ny disadisa misy eo aminy sy ny Federasionina malagasin’ny taranja Echecs, ny alarobia lasa teo, teny Analakely, ny ligin’Analamanga, taranja Echecs. Nambaran’izy ireo ary nohamafisiny fa mijoro ara-dalàna ary […]




