Fanatajahantena

Lalaon’ny CJSOI: Nahazo medaly 15 sahady i Madagasikara

Nirarakompana ny medaly azon’ny Malagasy tamin’ny andro fahatelon’ny « CJSOI », tanterahina atsy Seychelles. Nisongadina ny Mala­gasy atleta mpimbata fonjamby. Nahazo vokatra tsara ihany koa ny Barea sy ny Ankoay. Telo andro izay no vita, nandrombaka medaly 15 sahady, volamena 9 sy volafotsy 6, i Madagasikara, amin’ity fifaninanana ho an’ny tanora aty […]

SOMBIM-BAOVAO

Efa any Seychelles ny delegasionina Barea de Madagascar, hiatrika ny “CJSOI 2025”. Mahagaga tamin’ity zava-misy ity, tsy misy lisitra nivoaka momba ireo mpilalao miatrika izany any an-toerana, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Federasionina hatramin’ny omaly alina, nanoratanay. Tsara ny mampahatsiahy fa ilain’ny mpankafy hatrany ny mahafantatra ny mpilalao miaro ny voninahi-pireneny amin’ny […]

Kalaza NBA ho avy eto  : Tetikasan’ny filoha sy ny Praiminisitra

Nohamafisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Moustapha Marson Abdulah, tamin’ny faran’ny herinandro teo, fa ho avy eto ireo kalaza mpilalao basikety ao amin’ny fifaninanana NBA any Etazonia, ahitana an’i Anthony Tolliver sy Sylvia Fowles. Tafiditra indrindra anatin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, sy ny Praiminisitra Ntsay Chris­tian, izao fahatongavan’ireto vahiny […]

Kevin Nagawa : Hitily mpilalao mandritra ny “Chan” sy ny “CJSOI”

Mandalo eto an-tanindrazana mijery ireo Malagasy mpilalao, i Kevin Nagawa, teratany maorisianina mizaka ny zom-pirenena belza, sady agent an’ny Fifa. Tanjony ny hitondra Malagasy mpilalao any amin’ireo klioba any ivelany, Eoropa nany Afrika Atsimo, na any Chine. Nambarany, afakomaly, tetsy Ankorondrano, fa manana vina izy ny hijery ireo atleta malagasy […]