Fanatajahantena

Kick-“Coupe de l’Océan Indien” :Nahazo amboara sivy i Madagasikara

Fahombiazana tanteraka no azon’i Madagasikara, nandritra ny fifaninanana niadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina, taranja Kick Boxing. Fifaninanana notontosaina teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny sabotsy 12 avrily lasa teo. Amboara 9 be izao no norombahan’ny Malagasy mpikatroka tao anatin’ny ady 12 nitranga. Malagasy mpikatroka 3 kosa no voahosotra ho tompondaka […]

Rugby – “Sevens Challenger Series” : laharana fahadimy ny Makis de Madagascar

Na tsy tafakatra tany amin’ny “play off” aza ny Makis de Madagascar nandritra ny fifanintsanana “Sevens challenger series”, taranja rugby ho an’olona 7. Nahita vokatra tsara ihany izy ireo, ka nahazo ny laharana fahadimy. Tsy nitsanga menatra ny Makis de Madagascar, omaly, tany Krakow Po­logne. Laharana fahadimy tamin’ny fifaninanana “Sevens […]

SOMBIM-BAOVAO

Hisy ny fampiofanana ho an’ny mpanazatra ho fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Judo. Ny 17 avrily izao no hanaovana izany, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Hisy ihany koa ny fanazarantena nasionaly hatao amin’io andro io, raha ny fandaharam-potoana. Hotontosaina ny 26 avrily izao, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena […]

“World Cola PFL” : Hiady laharana ny Fosa Juniors sy ny Ajesaia

Hotanterahina anio sy rahampitso indray ny andro fahafolon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “World Cola PFL”. Anisan’ny fifanandrinana azo heverina fa andrasan’ny maro amin’izany, ny fihaonan’ny Fosa Juniors Boeny, sy ny Ajesaia Bon­golava. Lalao izay hatao any amin’ny Kianja Rabemanan­jara Mahajanga, rahampitso. Tsiahivina fa eo amin’ny laharana […]