Mpilalao telo avy eto an-toerana no tafiditra anaty lisitry ny Barean’i Madagasikara. Voafantina mialoha ny fotoana izy ireo hiaro ny voninahi-pirenena. Hiatrika ny fifanintsanana “Can 2027”, ihaonana amin’i Nigeria sy i Tanzania. «Telo aloha no fantatra…». Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray, omaly, tafiditra anatin’ireo mpilalao voafantina mialoha, nahazo taratasy “pré-convocation”, […]
Fanatajahantena
Rugby – “XXL Top 12”: hanala vela amin’ny Cosfa ny Uscar
Hotanterahina amin’ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”. Hanakatona izany ny Cosfa (Bebaoty) sy ny Uscar (Kaominina). Fihaonan’ny ekipa samy boaty izy ity. Tsy vao izao akory no nihaona ny roa tonta fa ekipa […]
Basikety – Mada U18: fantatra ireo ekipa hiady ho lohany
Hampiantrano ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy U18, lahy sy vavy, taranja basikety ny ligin’Atsimo Andrefana. Hotanterahina ny 12 ka hatramin’ny 20 septambra ho avy izao izany. Navoakan’ny Federasionina malagasy (FMBB) tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly, ireo ekipa hiatrika izany. Ligim-paritra 13 no hiady izay ho lohany ka ligy 6 amin’ ireo […]
« IHF Trophy Séniors », vehivavy: hatao ao Vontovorona ny fifanintsanana
Hotontosaina eny amin’ny Complèxe sportif Vontovorona, ny 29 septambra hatramin’ny 4 oktobra ho avy izao ny fifanintsanana eo amin’ny taranja handball, « IHF Trophy », ho an’ny faritra fahafito, sokajy vehivavy « Séniors ». Ankoatra an’i Madagasikara mampiantrano, miisa dimy ireo nosy hifanintsana amin’ izany. Anisan’izany i La Réunion, Mayotte, Comores, Maurice ary i […]
Billiard – Tompondaka maneran-tany: handray anjara i Madagasikara
Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany (World championships 2026), amin’ny taranja billiard, ny Malagasy afaka iray volana. Fihaonana hatao any Cape Town, Afrika Atsimo. Firenena maherin’ny 40, avy amin’ny kaontinanta dimy, no hiady ny lohany amin’izany. Hotanterahina ao Bellville, Velodrome Cape Town, Afrika Atsimo, ny fiadiana ny ho tompondaka […]





