Notontosaina teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, omaly, ny lalao fanomanana ny fifaninanana nasionaly “Top 12”, taranja rugby. Nisongadina tamin’izany ny fandresena azon’ny Cosfa miaramila sy ny FTM Manjakaray. Ny mpilalaon’i Manjakaray, nandresy ny TFMA Ankasina tamin’ny isa 33 no ho 28 ary ny Cosfa miaramila, nandavo ny TFA Anatihazo, tamin’ny […]
Fanatajahantena
DAKA AN-JORONY: Fanehoan-kevitra kanosa
Toa toe-javatra efa mahazatra ny sofin’ny mpitia fanatanjahantena sy ny mpanara-baovao ny maheno fanontaniana sy baraingo, amin’ny fifantenana izay ho ao anaty ekipam-pirenena. Tsy maintsy mipetraka foana ny hoe: Fa nahoana? Fa maninona?, aorian’ny famoahan’ny mpanazatra ny lisitra farany. Filazana ambadika fa misy zavatra maizimaizina ny amin’ireo anaran’izay voafantina. Tsy […]
“Youzou Smatchin Orange” : Tompondaka ny IUM sy ny U-Magis
Nifarana omaly 17 marsa, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny andiany faha-10 “Youzou Smatchin Orange”, taranja basikety ho an’ny Oniversite. Voahosotra ho tompondaka ny IUM sy ny U-Magis. Tafavoaka ho tompondaka tao anatin’ny ekipa 20, sokajy vehivavy, ny ekipan’ny IUM, rehefa nahazo ny fandresena 49 no ho 46 nanoloana ny […]
Barea de Madagascar : hanomboka anio ny fampivondronana
Hotontosaina manomboka anio, eny Mahamasina, ny fampivondronana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, taranja baolina kitra. Hivoaka anio ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barea, hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana, tafiditra anatin’ny “Fenêtre Fifa”. Miaraka mipetraka amina hotely lehibe iray, etsy Ivandry, ny mpilalao voafantina eto an-toerana, nanomboka omaly. Raha tsy misy ny […]
Lalao Afrikanina : hiakatra kianja, manomboka anio, ny Ankoay sy ny Makis Ladies
Nafana ny Lalao Afrikanina, atao any Accra Ghana, ho an’i Madagasikara, tamin’ny herinandro lasa teo. Hiakatra kianja, anio, ny Ankoay. Rahampitso ny Makis Ladies Seven. Hiakatra kianja, manomboka anio, hiatrika ny lalao voalohany amin’ny Lalao Afrikanina, atao any Accra, ny Ankoay lahy sy vavy, taranja basikety 3×3. Araka ny fandaharam-potoana […]