Fanatajahantena

Tsipy kanetibe, sokajy vehivavy : Fantatra ireo efatra hiatrika ny “Mondial 2025”

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny anaran’ireo vehivavy mpilalao tsipy kanetibe hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2025. Avy amin’ny ligin’Analamanga sy Matsiatra Ambony ary Vakinankaratra ireo handrafitra ny ekipam-pirenena, amin’ity. Nifarana ny alahady lasa teo, tany Antsirabe, ny fampivondronana ireo mpilalao tsipy kanetibe 24 mirahavavy. Hetsika nenti-nitiliana izay […]

Tenisy any ivelany: Voahosotra ho tompondakan’i Frantsa i Antso

Misongadina hatrany! Mbola mampiseho ny heriny amin’ny fifaninanana tenisy any Frantsa, ny faran’ny herinandro teo, ho an’ny sokajy lehilahy, +35 taona, Rakotondramanga Antso, Malagasy mpilalao. Voahosotra ho tompondakan’i Frantsa fanindroany indray ny tenany, rehefa nandavo an’i Louis Quennessen, tamin’ny seta 2 no ho 0, (6/3,6/2), nandritra ny lalao famaranana. Azo […]

« Yas Coupe de Madagascar »: Hanao famaranana ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga

Nafana ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo. Tafahaona indray eo amin’ny famaranana ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga. Tafahaona eo amin’ny famaranan’ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe 2025 », taranja baolina kitra, ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga. Samy nahita fandresena avokoa izy ireo nandritra […]