Klioba mitàna ny laharana voalohany eo amin’ny taranja volley-ball ny Zandarimariam-pirenena. Porofon’izany ny nahazoan’ny GNVB ny amboara rehetra tamin’ny fifaninanana nasionaly, teo amin’ny sokajy U16 sy U20, tamin’ity taona ity. Ankoatra izay misongadina eo amin’ny iraisam-pirenena ihany koa ny GNVB, izay nandrombaka ny amboara nandritra ny RNS 2024 natao tany […]
Fanatajahantena
Handball – “IHF Trophy” : Hiady ho lohany ny Akio
Hanomboka rahampitso, any Oran, Algérie, ny fiadiana ny “IHF Trophy” kaontinantaly, taranja handball, sokajy U17, vehivavy. Anisan’ireo firenena hiady ho lohany amin’ity ny Akion’i Madagasikara. Firenena 11 no hifampitana amin’ity ka ao amin’ny vondrona “A” no misy an’i Madagasikara, miaraka amin’i Angola, Nigeria, Tunisie, Kenya, ary i Benin. Azo lazaina […]
Baolina kitra – Cosafa U17 : Resin’i Malawi 3 no ho 1 ny Barea zandriny
Ratsy fiditra! Vokatra ratsy no nanombohan’ny Barean’i Madagasikara, sokajy zandriny, ny fifaninanana Cosafa U17, izay tanterahina any Zimbabwe, ny 11-20 septambra. Resin’i Malawi, tamin’ny isa 3 no ho 1, i Madagasikara. Lavo sahady! Nanao fampisehoana teo anatrehan’ny Barea zandriny mihitsy i Malawi, omaly, tao amin’ny kianjan’ny Ngomi Mwos Stadium Zimbabwe. […]
SOMBIM-BAOVAO
Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana, anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana nasionaly N1A, lahy sy vavy, taranja basikety. Hanokatra ny lalao, anio, ny eo amin’ny sokajy vehivavy, izay hifanandrinan’ny GNBC Analamanga sy ny Varsity Anosy ary ny MB2ALL Analamanga sy ny Dunamis Analamanga, amin’ny 9 ora maraina. Hotanterahina ny […]
Tsipy kanetibe – «Mondiaux 2025» : Efatra ireo mpilalao hisolo tena an’i Madagasikara
Nampahafantarin’ny Federation sport boule malagasy (FSBM), omaly, tany Frantsa, ny anaran’ireo mpilalao tsipy kanetibe hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2025. Fihaonana hotanterahina any Rome, Italie, ny 18 ka hatramin’ny 21 septambra ho avy izao. Lalao ho an’olon-droa, lahy sy vavy, ary lahy sy vavy miaraka. Ho an’olon-tokana lahy […]





