Fanatajahantena

Hazakazaka am-bisikileta: Hiatrika ny tompondaka maneran-tany i Houlder Amédé

Hanana solontena amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja bisikileta i Madagasikara. Ilay Malagasy, Amédé Houlder, no hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany. I Amédé Houlder Mohamed no hisolo tena an’i Mada­gasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny hazakazaka am-bisikileta, izay hotontosaina any Kigali, Rwanda, ny 21 hatramin’ny 28 septambra […]

Lomano-Afrika Zone IV: Laharana faha-3 i Madagasikara

Nisongadina indray ny Ma­­lagasy mpilomano, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, faritra faha-4, taranja lomano, notontosaina tany Manzani Eswatini, ny he­ri­nan­dro lasa teo. Medaly 28 be izao no azon’izy ireo, volamena 10, volafotsy 11 ary alimo 7. Noho io vokatra io, tafapetraka eo amin’ny laharana faha-3 amin’ny firenena 12 nandray […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanomboka omaly, tao amin’ny Kianja Rabemananjara, ny fanazarantena voalohany ho an’ny ekipan’ny Fosa Juniors FC. Tafiditra ao anatin’ity fanazarantena ity ny famerenana aina, ny fiomanana ny taom-pilalaovana manaraka ary ny fitsapana mpilalao vaovao. Nambaran’ny Fosa JR fa misy fandaminana vaovao ny eo anivon’ny Staff teknikan’izy ireo. Lalao anisan’ny nandrasan’ny maro, […]

Tsipy kanetibe: Hidona amin’ny Riviera ry Zigle, anio

Hotanterahina amin’ity talata ity ny famaranana lehibe, “Final four”, hiadiana ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe. Anisan’ireo firenena efatra hiady ny ho lohany ny Mala­gasy amin’ity. Hiatrika ny manasa-dalana avy hatrany izy ireo ka raha ny fandaharam-potoana, hidona amin’ny ekipan’i Riviera, i Madagasikara, ahitana an’i Yves sy i Balôty ary […]

Nandresy an’I Tchad 3 no ho 1 : Mbola tsara toerana hiatrika ny Mondial ny Barea

Tsara indray ny vokatra azon’ny Barean’i Madagasikara, omaly. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 1 ny ekipam-pirenen’i Tchad. Manana isa 16 ny ekipa nasionaly malagasy. Fandresena hatrany! Tao­rian’ny vokatra tsara azo tamin’i Centrafrique, nahita fahombiazana indray ny Ba­rean’i Madagasikara, omaly. No­­montsanin’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 1, i […]