Fanatajahantena

Rugby: hifampitana ny TFMA sy ny FTM Manjakaray

Ho fanomanan’ireo fileovana rehetra ny taom-pilalaovana (Top 12), taranja rugby, hisy ny lalao fihantsiana hotanterahina rahampitso alahady, eny amin’ny kianja Ma­kis Andohatapenaka. Anisan’ ny lalao hangotraka ny fifandonan’ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra) sy ny FTM Manjakaray (Dakar). Donan’ny samy kartie izany ary hiendrika famaranana kely. Raha ara-taratasy, manantombo ry zareo […]

“Youzou Smatchin Orange” : hafana ny manasa-dalana

Hiditra sahady amin’ny lalao manasa-dalana ny fifaninanana “Youzou Smatchin Orange”, taranja basikety, tanterahina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Hafana tanteraka ny lalao manasa-dalana, anio, satria ekipa sangany avokoa no tafakatra hiatrika izany. Anisan’izany ny tompondaka farany, teo amin’ny sokajy lehilahy, ny UMagis izay nandresy ny EMIT Fianarantsoa, omaly, nandritra ny […]

«Ligue des Champions»: hiverina hihaona ny Real Madrid sy ny Man City

Hafana tanteraka ny fihaonana eo amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024”. Hifandona ireo samy ekipa sangany. Notontosaina omaly, tany Nyon Suisse, ny antsapaka hahafantarana izay ho mpifanandrina amin’ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions (LDC) 2024”. Taorian’izay, hiverina hihaona indray ny […]

“Youzou Smatchin Orange” : hiditra amin’ny ampahefa-dalana anio

Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana sahady ny fifaninanana “Youzou Smat­chin Orange”, andiany faha-10, taranja basikety. Efa fantatra avokoa ireo ekipa tafakatra. Tena nafana tanteraka ny lalao ampahavalon-dalana, omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasi­na, indrindra ny teo amin’ny sokajy lehilahy. Anisan’ny hiatrika ny ampahefa-dalana, anio, ny ekipa tompondaka tamin’ny andiany farany, ny […]

Judo-Lalao Afrikanina: hiditra amin’ny ady isan-tarika anio

Nifarana omaly, ny fifaninanana taranja Judo, ho an’olon-tokana, ao anatin’ny andiany faha-13, Lalao Afrikanina, tanterahina any Accra Ghana. Mbola hiatrika ny fifaninanana isan-tarika anefa ny solontena malagasy ho amin’ny anio izay mbola miandrandra ny hahazo medaly. Raha hiverenana ny dingana nolalovan’ireo judokas malagasy niatrika ity lalao Afrikanina ity, teo amin’ny […]