Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Nifarana afakomaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny hetsika lehibe « Salon national des sports », izay notontosaina nanomboka ny zoma 28 jona. Samy afapo tamin’ity hetsika ity avokoa ireo mpiantsehatra rehetra tamin’izany, indrindra ireo federasionina mijoro ara-dalàna eto Madagasikara. Afaka iray volana, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika […]

JJB-Tapa-taona faharoa : Fifaninanana dimy no miandry

Feno ny fandaharam-potoan’ny Federasionina malaga­sin’ny Jiu-jitsu breziliana, tamin’iny tapa-taona voalohany, ho an’ny taona 2025, iny. Nisy ny fifaninanana nasionaly sy iraisam-pirenena, seminera, fiofanana maro isan-karazany. Tsy ambaka an’izany anefa ny amin’ity enim-bolana faharoa ity izay hanan-danja tokoa. Fifaninanana efatra no hitranga eto an-toerana. Voalohany amin’izany ny Kids BJJ Games “Gi”, […]

Tsipy kanetibe – «Mondial La Marseillaise»: Ekipa roa hiaro ny voninahitr’i Madagasikara

Feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tsipy kanetibe, any France, amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny «Masters» sy ny «Tournoi estival», hiatrika ny «Mondial La Marseillaise», indray izy ireo ka ekipa roa no hifaninana amin’izany. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan-dalao ataon’ny ekipam-pirenena mala­gasy, taranja tsipy kanetibe, amin’ity taona 2025 […]

Volley-CJSOI : Miray vondrona i Mayotte, i Maorisy ary i Madagasikara

Efa fantatra ny faran’ny he­rinandro teo, taorian’ny an­tsapaka, ny iray vondrona amin’i Madagasikara, mandritra ny fifaninanana CJSOI (Commission de la jeunesse et des sports de l’océan In­dien) hatao any Seychelles, ny 1 hatramin’ny 10 aogositra izao. Ny taranja iraisana no nanatanteraka izay antsapaka izay, omaly maraina. Ho an’ny taranja volley-ball, […]

SOMBIM-BAOVAO

Nahazo ny fankasitrahana « Fide Outstanding Contribution Award », avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny taranja Echecs i Madagasikara. Vokatry ny fampiroboroboana sy fampivoarana ny taranja eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no anton’izany fankasitrahana iraisam-pirenena ho an’ity taranja ity izany. Hotanterahina any Toamasina, ny 5 hatramin’ny 12 jolay izao, ny fiadiana […]