Hotanterahina manomboka ny 18 marsa ho avy izao ny fifaninanana rugby lalaovin’olona fito, amin’ny Lalao Afrikanina atao any Accra Ghana. Fanamby goavana ny miandry ireo Makis, vehivavy. Nanainga omaly, teto an-tanindrazana, hihazo an’i Accra Ghana ny Makis Ladies Madagascar, hiatrika ny Lalao Afrikanina amin’ny taranja rugby lalaovin’ olona fito. Nambaran’izy […]
Fanatajahantena
Klioba ECTA : hofohazina any Antsirabe ny “Triathlon”
Hotanterahina ny sabotsy 16 marsa ho avy izao, any Antsirabe ny fifaninanana “Triathlon”. Nambaran-dRamampiandra Toavina, tomponandraikitry ny ECTA (Entente Club Triathlon Antsirabe) sy Rabenarivo Marius, mpikambana eo anivon’ny federasiona maorisianina triathlon, mpikarakara ny hetsika tamin’ny mpanao gazety tetsy Amparibe, omaly, fa ho famohazana ny taranja efa natory nandritra ny taona maro no anton’izany. Ankoatra izay, entina hampivelarana ny triathlon aty […]
Savorovoro tany Toliara : manameloka ny herisetra ny FMF
Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao eo amin’ny baolina kitra malagasy, ny savorovoro nitranga tany Toliara, ny alahady lasa teo. Fihaonana nikatrohan’ny Dato FC sy ny 3FB Toliara, andro fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena na ny “Pureplay football league” (PFL). Manoloana izany, namoaka fanambarana ny komity mpitantana eo anivon’ny federasiona […]
Lalao Afrikanina : nahazo medaly volamena Rasoanaivo Razafy Laura
Nanakoako indray ny hiram-pirenena, tao Accra Ghana, omaly, nandritra ny fifaninanana teo amin’ny taranja Judo, ny andiany faha-13 ny lalao Afrikanina. Nahazo medaly volamena Rasoanaivo Razafy Laura, sokajy latsaky ny 70 kg. Noporofoin’i Laura indray ny maha sangany azy eto Afrika, nandritra ny ady natrehany, omaly. Tsy nisy afa-bela nanoloana […]
Lalao any Ghana : miovaova foana ny fandaharam-potoana
Misavoritaka! Izay no azo anambarana ny fizotran’ny Lalao Afrikanina, tanterahina any Ghana, amin’izao fotoana izao. Tsy mipetraka, araka ny tokony ho izy, ny lamina amin’ny fandaharan-dalao sy ny fifaninanana fa miovaova araka izay hitiavan’ny mpikarakara azy, araka ny tati-baovao avy any an-toerana. Na ny tranokalam-pifandraisana natokana ho an’ny Lalao Afrikanina […]