Notanterahina ny alahady 22 jona teo, tao amin’ny Kianja mitafo manara-penitra Vatofotsy, Antsirabe, ny andiany voalohany amin’ny “Festival des sports”. Nandray anjara tamin’izany ireo klioba 30 avy amin’ny taranjam-panatanjahantena samihafa, ao anatin’ny ligim-paritra Vakinankaratra. Nanatrika izany tany an-toerana, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Abdoulah Marson Moustapha. “Natao […]
Fanatajahantena
Savorovoro Mama FC – Elgeco Plus : Mandiso ny vaovao miely anaty tambajotra ny filohan’ny FMF
Miparitaka ao anaty tambajotran-tserasera ny lahatsoratra an-gazetin’ny Sport News Africa, omaly, fa naneho fihetsika tsy mendrika ny lehiben’ny kitra malagasy. Etsy ankilany, manazava ny loharanom-baovao iray fa tsy marina io filazana io. “Iza no diso ?”. Namoaka vaovao momba ilay savorovoro nisy tamin’ny fihaonan’ny Mama FC sy ny Elgeco Plus, […]
Tsipy kanetibe, vehivavy: mpilalao 24 manao fampivondronana
Nanomboka omaly, any Antsirabe ny fampivodronana ireo vehivavy mpilalao tsipy kanetibe. Miisa 24 izy ireo ka ny 1 avy any France dia i Aubriot Fanja. Hifantenana izay ho mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ho an’olon-telo miaraka hatao any Douaisis, France ny 9 ka […]
Échecs -“Tournoi Inter-Entreprise”: hotohizana amin’ny volana septambra
Amin’ny volana septambra izao indray ny fifaninanana “Tournoi Inter-Entreprise”, taranja Échecs, karakarain’ny federasionina malagasin’ ny lalaon-tsaina Échecs. Mbola hisy ihany koa amin’ny volana desambra izao, raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny federasionina. Fifaninanana natao hijerena ireo mpilalao eny anivon’ny orinasa ity lalao ity. Efa betsaka mantsy ny mpilalao mahay any […]
« Salon National des Sports »: samy nanaiky ny maha zava-dehibe ny hetsika ny mpiantsehatra
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy lasa teo, tetsy Mahamasina, ny andro fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ny Fanatanjahantena. Ho fanamarihana izany, nikarakara hetsika goavana, « Salon National des Sports », miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy, teny an-toerana, ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), izay tarihan’ny minisitra, Moustapha Marson Abdulah. Samy nahatsapa ny […]




