Fanatajahantena

Semi-marathon Mada 2024: voalohany i Patrick sy i Sendrafefinaina

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny semi-marathon, i Onjani­aina Patrick Ralaiarimanana, atletan’ny Cosfa sy i Marie Sendrafefiniaina, CAMI Itasy. Fifaninanana notanterahina omaly, teto an-drenivohitra. Voalohany eo amin’ny tantarany ny nandrombahin’izy ireo izany. Niady ny hazakazaka teo amin’ny lehilahy. Nitarika teo am-boalohany, i Jean de La Croix Rakotomalala, mpihazakazaky ny Crown […]

Handball « IHF Trophy Zone 7 »: tompondaka teo amin’ny cadet ny Akio de Madagascar

Norombahin’ny Akio de Madagascar, ny amboaran’ny faritra fahafito, « IHF Trophy », eo amin’ny taranja handball, sokajy cadet. Fandresena roa no azon’ny Malagasy tamin’ireo lalao roa natrehiny ka nibatany ny amboara. Nifarana ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’ny faritra fahafito, taranja handball, sokajy cadet sy junior, […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny faran’ny herinandro aho avy izao ny lalao ampahefa-dalana miverina amin’ny fifaninanam-pirenena, «Coca Cola Pureplay Football League», taranja baolina kitra. Anisan’ny fihaonana tena andra­san’ny maro ny fifanandrinan’ny Fosa Juniors Boeny sy ny Elgeco Plus de Madagascar. Mbola manala vela ny Fosa. Hotontosaina rahampitso ny fifaninanana nasionaly, taranja hazakazaka lavitra […]

Atsimondrano Champions League : hiady ny 4 tapitrisa Ar ny Samada sy Valence FC

Tonga amin’ny famaranana ny andiany faharoa amin’ny fiadiana ny «Atsimondrano Champions League» (ACL 2024), taranja baolina kitra. Hotanterahina eny amin’ny kianja manara-penitra Anta­nin­katsaka Itaosy izany, raha­m­pitso alahady 26 mey 2024. Fifaninanana karakarain’ny Atsimondrano Action sport sy Ratsivahiny Andry. Hiady ny lelavola 4 tapitrisa Ar amin’izany ny FC Sa­ma­da Soavina sy […]

Fiofananana CAMS : mpianatra fito nahazo diplaoma

Notanterahina teny amin’ny biraon’ny Komity Olympika Malagasy (COM), Alarobia Ivandry, omaly, ny lanonana fanolorana diplaoma ho an’ireo mpianatra fito mianadahy, enina lahy sy vavy tokana, andiany ILO. Nanaraka fampianarana “Cours Avancé en Management du Sport (CAMS)”, nandritra ny fito volana, izay karakarain’ny COM izy ireo. Voafidy ho ray mpiahy ireto […]