Navoakan’ny Malagasy Rugby sy ny Rugby Afrique tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly, ny fandaharan-dalao amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Women’s cup”, taranja rugby, vehivavy. Fihaonana hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny 7 ka hatramin’ny 15 jona ho avy izao. Hiady lohany amin’izany ireo firenena efatra ahitana an’i Madagasikara mpampiantrano, […]
Fanatajahantena
Barea de Madagascar: Mety ho avy i Coquelin sy i Pelmard
Araka ny siosion-dresaka mandeha amin’izao fotoana izao, manaiky ny hanatevina ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, ireo mpilalao avy amin’ny klioba goavana any Eoropa. Mandeha ihany koa ny resaka fa mety ho avy amin’io lalao hifanandrinana amin’ny RDC Congo, izay hotanterahina ny volana jona, any Frantsa io, i Andy Pelmard, vodilaharan’ny […]
Cours avancé en management du Sport : Nivoaka omaly ny andiany faha-7
Tontosa, omaly, teny amin’ny foiben’ny Kaomity olympika malagasy Ivandry, ny famoahana ny mpiofana 11 mianadahy nanaraka ny fiofanana Cams, « Cours avancés en management sportives ». Andiany faha-7, izay misalotra ny anarana Fototra ireto nahavita ny fiofanana ka nivoaka omaly ireto. Nambaran’ny talen’ny fampiofanana, Ratoaviniriana Ramaroson, fa naharitra 7 volana […]
SOMBIM-BAOVAO
Nigadona an-tanindrazana, omaly, ny andiany faharoa tamin’ny delegasiona malagasy niatrika ny “Open Africa” natao tany Maorisy, teo amin’ny taranja Jiu-jitsu Brezilianina. Tsiahivina fa nitondra avo ny voninahi-pirenena ireto solontena malagasy ireto, nahazo medaly volamena 20 be izao. Hanatanteraka fitiliana hitsinjovana ny Barea aty aoriana ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), […]
Baolina kitra – « Ligue des champions d’Europe » : Hiatrika ny famaranana ny PSG sy ny Inter de Milan
Fihaonana tsy mbola nisy ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra (Ligue des champions). Hihaona ny PSG, France, sy ny Inter de Milan, Italie. Voalohany no hihaona amin’ny lalao ofisialy ny roa tonta. Fihaonana firahalahiana, nikatrohan’izy ireo farany ny taona 2023, tany Japon. Niondrika tamin’ny isa 2 […]