Hotontosaina anio, ao Johannesburg Afrika Atsimo, ny dingana manasa-dalana amin’ny “Elite 16”, lalao fifanintsanan’ny “Road to BAL” 2024, ho an’ny faritra Atsinanana. Hifandona amin’ny Cape Town Tigers ny Cospn Madagasikara. Ekipa tompon-tanàna ity hihaona amin’i Madagasikara, amin’ny manasa-dalana anio ity, amin’ny 6 ora hariva, ora eto an-toerana. Na izany aza, maneho […]
Fanatajahantena
Rakool : handeha ho any Frantsa
Nambaran’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora, teny Mahamasina, omaly, fa efa nahazo taratasy “visa”, Razafindranaivo Koloina na Rakool, malagasy mpilalao baolina kitra. Hilalao any amin’ny klioba frantsay, Athletic Club Arlésien (D6) ity Malagasy lohalaharana ity. Maharitra herintaona eo ny fifanarahana ary azo havaozina izany. Marihina fa tao amin’ny Five FC […]
“Road to BAL”-Elite 16 : tafakatra amin’ny manasa-dalana ny Cospn
Mitohy hatrany ny lalan’ny Cospn, ao anatin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakilan’ny “Road to BAL” 2024, taranja basikety. Nandresy ny JBC Zimbabwe indray ny malagasy, omaly, tao Johannesburg, Afrika, ka hiatrika ny lalao manasa-dalana.Tapakila ho amin’ny manasa-dalana “Division East” no azon’ny Cospn taorian’ny nahazoana ny fandresena nanoloana ny JBC Zimbabwe, tamin’ny […]
Tenisy – « Mada 2023 »: hotolorana 500 000 Ar izay tompondaka
Hotanterahina ao amin’ny Club olympique de Tananarive (COT), Ankadikely Ilafy, ny 27 novambra – 3 desambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy. Raha ny vaovao voaray teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny tenisy (FMT), omaly, tetsy Ambohidahy. Hotolorana lelavola 5 hetsy Ariary sy loka maro avy amin’ny […]
“Baolina kitra mahatafita” : hitily mpilalao eto Madagasikara ny klioba frantsay, Losc Lille
Ho tonga eto Madagasikara hitily mpilalao miisa 60 ireo vahiny teknisianina miisa efatra. Hanomboka ny alatsinainy ho avy izao ny fitsapana ho an’ireo Malagasy mpilalao baolina kitra. Ho fampivoarana ny baolina kitra malagasy sy ho fampiakarana ny isan’ireo Malagasy mpilalao mila ravinahitra any ivelany, nampahafantarina, omaly, tetsy amin’ny kianjan’ny Barea […]




