Fanatajahantena

Kitra – Ampahefa-dalana «Play off» : hatao eto Antananarivo ny lalaon’ ny 3FB Toliara sy ny Asa Diana

Hiova ny fandaharam-potoana amin’ny fanatontosana ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Pureplay Football League” (PFL). Ekipa roa no tsy hilalao any amin’ny kianjany, dia ny 3FB Toliara sy ny Asa Diana. Nivory teny Andoha­ra­no­fotsy, omaly, ny CFEM sy ireo filohana klioba tafita amin’ny ampahefa-dalana, amin’ny “Pureplay football league […]

Beach Soccer – “Festival Mazavaloha”: Ekipa 10 hiady izay ho lohany

Hanomboka anio, any amin’ny torapasiky ny faritra Sambava sy Antalaha ny andiany voalohany amin’ny “Festival Mazavaloha” ka hisian’ny fifaninanana Beach Soccer na ny baolina kitra lalaovina ambony fasika. Li­gim-paritra folo no nandefa solontena amin’ity ary hiady izay ho lohany. Anisany i Melaky, Boeny, Atsinanana, Atsimo Andrefana, Vatovavy-Fitovinany, Analanjirofo, Dia­na, Sava […]

Olan’ny baolina kitra : mafana ny ady eo amin’ny Fosa Juniors sy ny AS Fanalamanga

Niakatra ny maripanan’ny raharaha Joma, Malagasy mpilalao! Namoaka ny heviny tao anaty tambajotran-tserasera ny Fosa Junio Boeny, omaly, taorian’ny fanambarana nataon’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny AS Fana­lamanga, ny zoma lasa teo, teny Nanisana. Nilaza ity klioba ity fa efa niakatra eny anivon’ny tribonaly misahana ny ady ara-panatanjahantena (Tas) sy ny Fifa […]

DAKA AN-JORONY: Faly miara-mitokiky, malahelo miara-mitakoko

Amoron-tevana indray amin’izao fotoana izao ilay taranja nampiray fo ny Malagasy sady nampiakatra avo dia avo ny lazan’i Madagasikara. Ny baolina kitra, ny tian-kambara amin’izany. Hivangongoan’ny olana tsy hita pesipesenina amin’izao fotoana izao, ny Federasiona malagasy (FMF). Ny eo tsy voavaha, ny eo misisika ihany. Toa manao fihavanan-takatra, faly miara-mitokiky, […]

Lalao Acnoa faritra fahafito: laharana voalohany i Madagasikara

Tsara ny vokatra ho an’ireo Malagasy atleta 24 mianadahy niatrika ny fifaninanana Acnoa, faritra fahafito, natao tany amin’ny Nosy Seychelles, nandritra ny herinandro teo. Nahomby ny Malagasy mpilalao! Medaly 44, izay nahitana volamena 22 sy volafotsy 20 ary alimo 2 no nahazoan’i Madagasikara laharana voalohany, nandritra ny fifaninanana Acnoa, faritra […]