Tanteraka soa aman-tsara teny amin’ny Kianja Ambohitsaina, ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny taranja tsipy kanetibe, olon-telo miaraka. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny “senior”, lehilahy, ny CBC Cecam Analamanga, nahitana an’i Jacky sy i Olivier ary i Tendry. Lasan’izy telo mirahalahy, araka izany, ny tapakila handehanana any France, […]
Fanatajahantena
Barean’i Madagasikara U23: “Homena sehatra kokoa ny mpilalao avy eto an-toerana” hoy i Boualem mpanazatra
Nilaza i Boualem, mpanazatra ny Barea U23, fa ny 70 isan-jato ny lisitry ny ekipam-pirenena zandriny amin’ity dia hanomezana sehatra ireo mpilalao avy eto an-toerana. Mbola mitohy hatrany ny fifantenana araka ny fanazavana nomeny. Nambaran’ ny mpanazatran’ny Barea U23, i Boualem Mankour, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, omaly, fa homena […]
Volley-ball – Mada D1 : Nanao pao-droa ny zandary
Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja mitafon’ Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy D1 lahy sy vavy. Norombahin’ny zandary (GNVB) avokoa ny amboara tamin’izany. Adin’ny samy zandary ny famaranana teo amin’ny sokajy lehilahy. Voahosotra ho tompondaka ny GNVB 1 rehefa nanilika ny GNVB 2, […]
Basikety – Mada N1A : Tompondaka ny GNBC sy ny CosPN
Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara teo amin’ ny sokajy N1A ny GNBC ho an’ny vehivavy ary ny CosPN kosa teo amin’ny lehilahy. Raha hiverenana ny vokatra, resin’ny zandary tamin’ny isa 47 no ho 42 ny JEA Vakinankaratra. Niady ny lalaon’ny roa tonta satria nifandimbiasana ny nitarika ny isa teo amin’ireo tapa-potoana […]
Rugby – Africa Sevens Men’s Series : Laharana faharoa ny Makis Madagasikara
Tompondaka lefitra aty Afrika ny Makis Madagasikara nandritra ny fiadiana ny “Africa Sevens Men’s Series”, taranja rugby lalaovina olona fito. Resin’i Kenya teo amin’ny famaranana ry zalahy. Na izany aza, nahazo ny tapakila hiatrehana ny dingana manaraka, dia ny fiadian-toerana ho an’ny lalao Olympika (JO 2028). Fandresena efatra sy faharesena […]





