Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Top 6 Mada”, taranja rugby. Anisan’ny lalao be mpiandry ny fifanandrinana eo amin’ny Cosfa (Bebaoty) sy ny CEA Andranomanalina. Fihaonana fanindroany ho an’ny roa tonta ity. Hanala vela ry zareo Andrano eto ka hangotraka tanteraka ny […]
Fanatajahantena
Fifanintsanana lalao Olympika 2028: nanaovan’i Afrika Atsimo fampisehoana ny Barea, vehivavy
Ratsy ny vokatra ho an’ny ekipa nasionaly malagasy, omaly, tany Afrika Atsimo, nandritra ny lalao mandroso, dingana faharoa, amin’ny ady tapakila handraisana anjara amin’ny lalao Olympika JO 2028. Resy! Lavon’ny Banyana Banyana Afrika Atsimo, tamin’ny isa 4 no ho 0, ny Barean’i Madagasikara, sokajy vehivavy, omaly, tao amin’ny Kianjan’ny Free […]
Judo – «Mondiaux sénior»: resy teo amin’ny 1/4-dalana i Laura
Omaly no niakatra “tatami”, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany taranja judo, Rasoanaivo Aina Laura, ho an’ny sokajy “senior”. Fihaonana tanterahina any Baku, Azerbaijan. Nandresy ilay Romanina, i Moscalu Serafima, teo amin’ny fihodinana voalohany ny tovovavy, ho an’ny sokajy “D” latsaky ny 70 kg. Tamin’ny alalan’ny Ippon, teo amin’ny […]
Fanatanjahantena ho an’ny Oniversite: naverin’ny fanjakana ny fifaninanana « Universiade »
Taorian’ny andiany voalohany 2019, hotanterahina ao Antsirabe, ny 30 oktobra hatramin’ny 8 novambra ho avy izao, ny fihaonana ara-panatanjahantena sy kolotsaina “Universiade” andiany faharoa. Hetsika natao hampivondronana ireo mpianatry ny Oniversite manerana an’i Madagasikara izy ity, hiarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Mesupres) sy ny minisiteran’ ny […]
Karate – Tompondaka maneran-tany: hanainga amin’ny alahady ny ekipa
Voavaha ihany ny olana ho an’ireo Malagasy mpikatroka karate. Fantatra fa nanohana azy ireo ny fanjakana amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2026. Anisan’ireo nanolo-tanana ny filohan’ny Fanavaozana sy ireo mpikambana sasany ao amin’ny prezidansa. Teo koa ny lehiben’ny governemanta sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny […]





