Fanatajahantena

Basikety – OQT Debrecen : hiofana any Serbie ny Ankoay 3×3

Anisan’ireo firenena 16 mandray anjara amin’ny fifaninanana OQT any Debrecen Hongrie, ny 16-19 mey ho avy izao i Madagasikara. Ho fiatrehana izany, haka traikefa ao amin’ilay Akademian’ny Basikety 3×3 any Novi Sad Serbie, ny Ankoay 3×3. Nambaran’ny filohan’ny Federasiona malaga­sin’ny basikety (Fmbb), Ramaroson Jean Michel, omaly, teny Ambohijatovo, fa hanainga […]

Rugby – AROI : Tompondakan’ny Makis vehivavy

Nibata fandresena miezinezina indray ny Makis de Madagascar, nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina “AROI 2024”, ho an’ny rugby lalaovina olona 7, sokajy zandriny latsaky ny 18 taona, vehivavy. Norombahin’ny tovovavy malagasy mantsy ny amboara. Fihaonana notanterahina tao amin’ny Kianja Casabona St Pierre, ny sabotsy 27 sy omaly 28 […]

Tenisy – ITF : misongadina Rasendra Miotisoa

Niampy indray ny anaram-boninahitra ho an-dRasendra Miotisoa, vehivavy malagasy mpilalao tenisy. Votso-droa kosa i Voavy Mitia ka lasa laharana faharoa, tamin’ny lalaon’olon-tokana sy olon-droan’ny “ITF Junior J100”. Nifarana ny sabotsy lasa teo ny fifananana “World Tennis Tour (WTT)Junior j60 “, taranja tenisy, lahy sy vavy, izay natao tany Abidjan Cote […]