Tontosa omaly, teny amin’ ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja volley-ball, sokajy D1. Ekipa zandary telo tafita no hiatrika ny famaranana dia ny GNVB 1 sy 2 eo amin’ny lehilahy ary ny GNVB 1 eo amin’ny sokajy vehivavy. Teo amin’ny andriambavilanitra, lavon’ny GNVB 1 tamin’ny […]
Fanatajahantena
Can 2027, U23: Hitsapa ny ekipan’i Moramanga ny Barea
«Miomana hatrany! » Hiatrika lalao fitsapana amin’ny ekipa voafantin’i Moramanga, ny alahady ho avy izao, any an-toerana, ny ekipam-pirenena Barea, sokajy U23. Fihaonana tafiditra amin’ny fanomanana ny fifanintsanana Can U23 2027. Marihina fa ny voalohan’ny volana novambra ho avy izao no hihaona amin’i Afrika Atsimo i Madagasikara, mandritra ny dingana faharoa. […]
SOMBIM-BAOVAO
Notontosaina omaly, tao amin’ny Kianja Maître Kira Andaboly, ny fanaovam-beloma farany an’ilay kintan’ny baolina kitra malagasy, Kira Michel. Ity kianja ity, izay mitondra ny anarany nanomboka ny taona 1997, ho fahatsiarovana ny zava-bitany tao anatin’ny fanatanjahantena. Tonga nanotrona sy naneho firaisam-po tamin’ny fianakaviany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, […]
Rugby lalaovin’olona 7 : Hiady ny tapakila ho an’ny Lalao Olympika ny Makis
Hifantoka atsy Maurice ny sain’ny mpitia fanatanjahantena, indrindra ny mpankafy rugby, amin’izao faran’ny herinandro izao. Ekipa valo hiady izay ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny baolina lavalava lalaovin’olona 7 “Africa Men’s Sevens Series 2026”. Anisan’ireo hiatrika izany ny Makis Madagasikara izay ao amin’ny vondrona “B”. Tapakilan’ny Lalao Olympika no andrandraina amin’izany. […]
Karaman’i Corentin Martins : Hanefa ny trosa tsy voaloa ny fanjakana
Nitondra fanazavana teny Ambohijatovo, omaly, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) mahakasika an’ireny vaovao miely mahakasika ny karaman’ny mpanazatra Barea, Corentin Martins ireny. Nilaza izy ireo fa nisy tokoa ny fahatarana ny fandoavana ny karaman’ity mpanazatra ity, saingy tsy feno ilay vaovao miely. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny MJS, […]





