Fanatajahantena

AS Fanalamanga : mangataka ny hanasaziana ny Fosa Jr

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny AS Fanalamanga! Man­gataka ny hampiharana ny sazy noho ny fandikan-dalàna izay nataon’ny Fosa Junior Boeny ry zareo, araka ny va­lan­dresaka nataon’ireo mpitantana eo anivon’ity klioba ity, omaly, teny Nanisana. Raha ny fanazavan’izy ireo, tsy mbola nahazo ny taratasy fahazoan-dalana mifindra any amin’ny Fosa Junior Boeny, Rajoma­zandry […]

Rugby vehivavy – «Can 2024»: hiady izay ho any Londres ny Makis sy ny Springboks

Famaranana goavana! Hifanandrina amin’ny Makis Ladies Madagasikara ny Springboks Afrika Atsimo rahampitso, eto Antananarivo. Fihaonana farany izay tafiditra amin’ny fifaninanana “Rugby Africa Cup 2024”, sokajy vehivavy. Ho fantatra rahampitso alahady, eny amin’ny Kianja Makis Andohata­penaka, izay ekipa hisolontena an’i Afrika, hiatrika ny “Mondial 2025”, taranja rugby vehivavy lalaovina olona 15. […]

Sombim-baovao

Notanterahina nanomboka omaly, teny Ambatobe, ny fifaninanana hazakazaka anaty natiora, “Utop”, andiany faha-15. Mahatratra roa arivo mahery ireo olona nisoratra anarana tamin’izany, ka teratany vahiny avokoa ny 250 amin’izy ireo. Norombahin-dRandriambololomanana Tsiaro, Malagasy mpitsara, ny amboaran’ny “Arbitre le plus prometteur” nandritra ny “Cosafa Award”, ny taona 2023, izay natao tany […]

Very ny fototra: tsy afa-mananatra ny Malagasy

Tsy honohono intsony fa efa iainana ankehitriny. Mala­gasy tsy manana tanin-drazana. Malagasy tsy mahay miteny malagasy. Malagasy tsy maha­lala ny « dian’ny vary ». Mala­gasy tsy mahafantatra ny rohin­tany… Raha ireo ampahana ohatra ireo no hiaingana, very fototra ny Malagasy. Tsy mijanona hatreo anefa fa, ny tanora mampiseho foitra. Ny ankizy mamingavinga […]

SOMBIM-BAOVAO

Nandrombaka medaly volamena tamin’ny fifaninanana « Acnoa », faritra fahafito, izay atao any Seychelles, ny Malagasy mpilalao tenisy ambony latabatra, lahy sy vavy, nandritra ny famaranana ny lalao isan-tarika ny alarobia lasa teo. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 0 i Maurice. Nahazo medaly volamena dimy tamin’ny taranja lomano ny Malagasy […]