Tsy afa-miatrika ilay fifaninanana “MIC 2025” ho an’ny sokajy zandriny, hatao any Espagne, ny 15 hatramin’ny 20 avrily ho avy izao, ny sekolim-baolina kitra Net Foot, noho ny olana ara-taratasy. Tsiahivina fa efa nisy ny ezaka nataon’izy ireo mahakasika izany saingy tsy nahitam-bokany. Nanatanteraka “visite d’audit annuel” teo anivon’ny Federasionina […]
Fanatajahantena
Ligue des champions d’Europe : Raraka ny Real Madrid sy ny Bayern
Nitranga ny tsy nampoizina ary diso avokoa ny kajikajin’ireo mpanara-baovao amin’ny “Ligue des champions d’Europe”, taranja baolina kitra. Nihintsana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana mantsy ireo klioba lehibe heverina ho manana herijika handrombaka ny amboara dia ny Real Madrid sy ny Bayern de Munich. Ny alarobia lasa teo, nandritra ny lalao […]
Ady totohondry : Nankatoavin’ny CIO ny Federasionina malagasy
Efa manana taratasy fahazoan-dalana amin’izao fotoana izao ny Federasionina malagasin’ny ady totohondry, araka ny nambaran’ny filohan’ity Federasionina ity, Rabarison Hery Mamy. Ny eo anivon’ny CIO (Comité international Olympique) no nanome alalana ny World Boxing ka nahazoana ny fankatoavana. Etsy ankilan’izay, mangataka ny fanjakana malagasy ihany koa ny eo anivon’ny Federasionina […]
Taranja tolona- “Africa 2025”: Mbola ankamatatra ny fandehanan’ ireo atleta
Hotanterahina any Casablanca Maroc, ny 29 hatramin’ny 4 mey ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Africa, taranja tolona. Tsy voafaritra ny daty handehanan’ireo Malagasy handray anjara. Nilaza ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny taranja tolona (FML), Raveloson Mamitiana, omaly, fa mbola ankamatatra ny fandehanan’ireo atleta malagasy any Casablanca Maroc. Tsiahivina […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny alahady 20 sy ny alatsinainy 21 avrily izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, taranja rugby lalaovina olona 7, sokajy U18, lahy sy vavy. Handray anjara amin’izany i Madagasikara, Mayotte, La Réunion ary i Maurice. Ho fantatra amin’ny faran’ny herinandro ho avy […]