Fanatajahantena

Handball – Mada «sénior 2026»: Nisy fiovana ny datin’ny fifaninanana

Raha efa voalahatra ho amin’ny faha-29 aogositra ho avy izao, ny hanatanterahana ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zokiny “senior”, lahy sy vavy, eo amin’ny taranja handball, dia nisy fiovana izany. Araka ny fampitam-baovao navoakan’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB), tao amin’ny pejin’ny tambajotran-tseraserany, ny talata lasa teo, nahemotra ho amin’ny 31 […]

SOMBIM-BAOVAO

Misongadina any France amin’izao fotoana izao, Rakotoarivelo Julio Traille Noé, Malagasy mpilalao rugby. Ao amin’ny klioba Pertuis izy no milalao ary mitana ny toeran’ny “trois quart centre”. Zanak’i Mboazafy Rakotoarivelo (Razily), mpanazatra ny Cosfa sy ny Makis de Madagascar, ny tovolahy. Efa miditra amin’ny lalao miverina ankehitriny ny fiadiana ny […]

Beach-volley U18 : Nanjakan’i La Réunion sy i Comores

Nifarana ny talata lasa teo, teny Soa tanàna Ambohimanga ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena “Championnat des nations”, taranja beach volley na ny volley-ball lalaovina ambony fasika. Fifaninanana ho an’ny sokajy U18 aty amin’ny faritra faha-7. Fihaonana nokarakarain’ny kaonfederasionina afrikanina (CAVB) sy ny Federasionina malagasin’ny volley-ball (FMVB). Nanjakan’ny ekipa vahiny […]

Judo – Tournoi du Capricorne : Hahatratra 300 ireo judokas hiady ny lohany

Ho ambohipihaonan’ny mpitia ny taranja judo indray ny renivohitr’i Toliara, manomboka rahampitso. Hotanterahina mandritra ny hateloana any an-toerana mantsy ny andiany faha-30 amin’ny “Tournoi du Capricorne”. Judokas 300 isa no hiady ny lohany, amin’izany. Hanomboka, rahampitso 14 ka hatramin’ny alahady 16 aogositra ho avy izao, ny andiany faha-30 amin’ny fiadiana […]

Afrobasket U18:  Hidona amin’i Senegal ny Ankoay anio

Laharana fahadimy ny Ankoay Madagasikara, nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny “Afro­basket”, sokajy lehilahy U18. Fifaninanana tanterahina any Abidjan Côte d’Ivoire. Fandre­sena roa nanoloana an’i Gabon sy i Maroc ary faharesena tokana tamin’i Mali, ny vokatra azon’izy ireo ka mametraka azy amin’io laharana io. Na izany aza, tafita hiatrika ny […]