Fanatajahantena

kitra – Yas Coupe 2026 : Hanao valin’ady ny Disciples FC

Hihaona indray etsy By-pass, ny alahady ho avy izao, mandritra ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra, «Yas Coupe 2026», ny Ajesaia Bongolava sy ny Disciples FC Vakinankaratra. Hanao valin’ady amin’ny klioba an’Antaninkatsaka, amin’io fotoana io, ny ekipa avy any Vakinankaratra. Tsiahivina fa ny Disciples FC izay nahintsan’ny […]

Jeux corporatifs AMDRHE : Orinasa 34 handray anjara

Ho fankalazana ny faha-20 taonan’ny fikambanana AMDRHE, hisy fifaninanana iraisan’ny orinasa tsy miankina na «Jeux corporatifs». Taranja fito no hifaninanana ka miisa 34 ireo handray anjara amin’izany. Feno 20 taona ny AMDRHE, fikambanana misahana ny fitantanana ny mpiasa eo anivon’ny orinasa tsy miankina. Tsy avelan’ireo tomponandraikitra handalo fotsiny izany fotoana […]

Miady avokoa ny lalao : Manampatra ny heriny i France

Tapitra teo amin’ny dingana ampaha-16-ndalana ny lalan’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”. Etsy ankilany, manohy ny diany ny Les Bleus, France sy i Mexique, mpampiantrano. Notapahin’ny Viking Nor­vège teo amin’ny am­paha-16-ndalana ny dian’ny Elefantan’i Côte d’Ivoi­re, eo amin’ity “Mondial” an­diany faha-23 ity. Lavon-dry […]

Kick Boxing : Handray ny « World Cup 2027 » i Madagasikara

Noraisina ofisialy,  ny alatsinainy teo,  ireo Malagasy mpikatroka niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Kick boxing. Nambara ofisialy ihany koa fa handray ny “World Cup” 2027 i Madagasikara. Taorian’ny nahazoan’ny atleta malagasy vokatra tsara, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika,  taranja Kick boxing,  natao tany Kameronina, ny herinandro lasa […]

Betsaka no diso kajy : Lavo tsikelikely ny andrarezina

Nitranga ny tsy nampoizina, nandritra ny dingana ampaha-16-ndalana amin’ny «Mondial». Firenena goavana iray no nangoron-damba dia ny Mannschaft, Allemagne. Manohy ny diany kosa ny Maraokanina, rehefa nanintsana ny Les Oranjes, Pays-Bas. Vokatra tsy nampoizin’ny maro ny fihintsanan’ny Mannschaft, Allemagne sy ny Les Oranjes, Pays-Bas, teo amin’ny dingana ampaha-16-ndalana, notanterahina ny […]