Fanatajahantena

3×3 World Tour: hiakatra kianja anio ny Malagasy

Hiakatra kianja anio sabotsy 14 oktobra, ny ekipa malagasy “Antananarivo”, hiatrika ny fifaninanana basikety “FIBA 3X3 World Tour”, tanterahina any Shanghai. Ao amin’ny sokajy “Masters”, vondrona C no misy ny ekipantsika, hifandona voalohany amin’izy 4 mirahalahy, ny ekipan’ny Beijing Chine. Mbola ekipa avy ao Chine, Futian ihany, aorian’izay no hifanandrina […]

Fifidianan’ny FMF : ho fantatra anio izay ho filoha

Tonga ity ilay fotoana efa nandrasan’ny maro, hahafantarana ny anaran’izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) vaovao. Hotanterahina anio sa­botsy 14 oktobra, eny amin’ny Novotel Ivan­dry, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra (FMF). Tsy maintsy iray amin’ireo kandidà miisa dimy mpifaninana amin’ izany no hitantana ny […]

Rasoanaivo Laura: hifaninana amin’ny « Abu Dhabi Grand Slam »

Taorian’ny niatrehany ny fiadiana ny tompondaka ma­neran-tany, sokajy Juniors, taranja Judo, fifaninanana iraisam-pirenena roa avy hatrany indray no miandry an-dRasoa­naivo Razafy Aina Laura. Hihazo an’i Abu Dhabi izy, ny 24 oktobra izao, hiatrika ny “Abu Dhabi Grand Slam 2023”. Hitohy any Senegal kosa ny diany, ny 11 novambra, hifaninana amin’ny […]

Kitra – « Fenêtre FIFA » : anatin’ny fanomanana tanteraka ny Barea de Madagascar

Efa ao anatin’ny vanim-potoana ny « Fenêtre FIFA” isika izao. Miatrika lalao ara-pirahalahiana iraisam-pirenena roa i Madagasikara amin’izany. Efa any Marôc ny ekipam-pirenena Barea de Ma­dagascar. Ny alarobia 11 oktobra lasa teo, nanom­boka nanao fanazarantena tao amin’ny kianjan’ny Academie Sportive Chabab Marôc, tao Casablanca, izy ireo. Natao hanomanana ireo lalao iraisam-pirenena […]