Nitohy ny alahady teo, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahasivy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”. Anisan’ny lalao nandrasan’ny rehetra ny an’ny FTM Manjakaray sy ny Uscar. Tsy mbola afa-bela fa resin’ny Manjakaray indray ny Uscar. 44 no ho 30 ny isa nisarahan’ny […]
Fanatajahantena
Baolina kitra, vehivavy – “Cosafa” : Tafita amin’ny manasa-dalana ny Barea
Hiatrika ny manasa-dalan’ny Cosafa ny ekipam-pirenena malagasy Barea, sokajy zandriny U17, izay atao any Afrika Atsimo. Nahintsan’izy ireo ny ekipa mpampiantrano, Afrika Atsimo. Tafakatra amin’ny manasa-dalan’ny fifaninanana baolina kitra, vehivavy, sokajy zandriny U17, ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika, Cosafa, i Madagasikara. Resin’izy ireo tamin’ny isa 1 no […]
Harisoa Christiane: 13 taona tao anaty ekipa nasionaly, taranja Basikety
Minaoharisoa Jaofera Christiane, Malagasy mpanao basikety voafidy ho mpilalao mendrika indrindra, nandritra ny Africa Cup 3×3 natao teto Madagasikara, ny herinandro lasa teo. 13 taona izy izao no tao anatin’ny ekipa nasionaly ary anaram-boninahitra maro no efa norombahiny. Tany amin’ny taona 2013 i Christiane no nanomboka nanao basikety ary nandray anjara […]
Taranja tolona: nahazo fankatoavana tamin’ireo ligy ny fitantanan’ny Federasiona
Notontosaina teny amin’ny IFM Analakely, ny zoma lasa teo, ny fivoriana ara-potoan’ny Federasiona malagasin’ny tolona (FML), izay tarihin-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny FML. Nambaran’ity lehiben’ny rafitra federaly ity fa nankatoavin’ireo mpitantana ny ligy dimy mandrafitra ny federasiona, ny tatitra ara-bola sy ny teknika ary ny ara-moraly, izay nataon’ny federasiona. Anisan’izany ny ligin’Analamanga, […]
DAKA AN-JORONY: Singam-bolo mandavo ny vositra
Mideza toy ny vato fa nirodana ihany. Noindraindraina tamin’ny haino aman-jery fa andrarezina manerana izao tontolo izao, ilay frantsay, i Dylan Rocher, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, amin’ny «tir de précision», taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana nifarana omaly, tany Dijon, France. Napetraky ny frantsay ho toa an’i Messi izy. […]